01/10/2026
|01.10.2026|
𝐓𝐄𝐓𝐈𝐊𝐀𝐒𝐀 𝐃𝐂𝐋𝐈𝐂: 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐑𝐀𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀
Misokatra manomboka anio 01 ka hatramin’ny 15 oktobra 2026 izao ny fisoratana anarana ho an'ireo tanora manana bakalorea, 18-35 taona, maniry hanaraka fiofanana mikasika ny sehatr'asa nomerika :
- 𝗗é𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝘄𝗲𝗯
- 𝗗é𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗺𝗼𝗯𝗶𝗹e
- 𝗠𝗮𝗿𝗸𝗲𝘁𝗶𝗻𝗴 𝗗𝗶𝗴𝗶𝘁𝗮𝗹
Ity manaraka ity ny rohy ahafahana misoratra anarana amin'izany :
https://siprid.metfp.mg/saisie-publique/000bda3b34ffda9f3f64f56978e3566851ee7c12afbf37d1/reponse
Hanomboka ny 19 Oktobra 2026 ary haharitra telo volana ny fiofanana eny amin'ny :
- LTP Antsirabe
- LTP Alarobia sy CFP Ampasapito
- LTP Toamasina
- LTP Toliara
Ny zoma 16 oktobra 2026 kosa no hivoaka eny anivon'ny DRETFP Analamanga, DRETFP Vakinakaratra, DRETFP Atsinanana ary DRETFP Atsimo Andrefana ny lisitra ho an'ireo voaray hanaraka ny fiofanana.
𝗠𝗮𝗶𝗺𝗮𝗶𝗺-𝗽𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 manerana ireo ivon-toeram-panofanana voalaza etsy ambony.
© METFP, Oktobra 2026