30/08/2026
Tontosa androany Alahady faha 30 Août 2026 tao à Androrangabe Antaratasy ny lalao manasa-dalana mandroso karakarain'ny Section Foot-ball Toamasina II ,izay sahala avokoa ny vokatran'ny lalao iray sy iray (1-1) FC Ankariera sy ALEXICO Amboditandroho , ary tsy nisy ny nitoka ny teo amin'ny CLUB AMBOHIMANARIVO sy JFA Farafaty Amabodisaina.
Hisaorana manokana ny fahatongavagnan'ny SG Ligue Football ATSINANANA,ny Lefitrin'ny ben'ny tanana Amboditandroho,ny filohan'ny DRA Toamasina II ary ny lehiben'ny fokontany roa tonta ANTARATASY sy AMBOHIMANARIVO ary ireo ray aman-dreny mpitantana sy mpitaiza tanora,ny lalao miverina kosa dia atao amin'izao Alahady faha 06 Septambra 2026 ao amin'ny ENAP Antetezambaro.