17/03/2024
MISY
Misy voninkazo tsy azo ambolena,
Raha tsy maloka ny andro.
Misy tononkalo tsy azonao foronina
Raha tsy malahelo.
Misy koa fitia tsy azonao fefena
Rehefa mihandrohandro.
Misy koa ny tsiaro tsy azonao kobonina,
Rehefa injay manelo.
Misy ranomaso tsy azonao arotsaka
Na dia mampijaly
Misy vaky boky tsy azonao tohizana
Fa banga ny takilany
Misy tsiky anaty anaty tsy sahinao aposaka,
Sao dia tsy mivaly.
Eny, misy any, tsy azonao rohizana
Ny maso natanilany.
TR