Sambava SAVA

Sambava SAVA arabaina atsika jiaby avy amin'ny faritra Sambava SAVA sy amin'ny farita afa hoela velogno atsika jiaby
(1)

🚨🚨VAOVAO TSARA🚨🚨Nahitana fiakarana ho 140 000 ar ny vidin'ny lavanila tao anatin'ny 40 andro amin'izao fotoana izao, rah...
12/12/2025

🚨🚨VAOVAO TSARA🚨🚨

Nahitana fiakarana ho 140 000 ar ny vidin'ny lavanila tao anatin'ny 40 andro amin'izao fotoana izao, raha oarina amin'ny vidiny fototra 3 000 ar.
Raha manodidina ny 70 000 ar - 80 000 ar ny vidin'ny lavanila lena dia ny maina manodidina eo amin'ny 140 000 ar.

Sary fanehoana

02/11/2025

Mba misy aty aminay

Andry Rajoelina   tsy jiro na rano ndreky no takinay aminy faritra SAVA  fa ampiakaro ny vidiny la Vanille.
26/09/2025

Andry Rajoelina tsy jiro na rano ndreky no takinay aminy faritra SAVA fa ampiakaro ny vidiny la Vanille.

FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 13 Desambra 2024 tamin’ny 10 ora maraina.✔️ Mihena hatrany hatrany ny herin’i CHID...
13/12/2024

FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 13 Desambra 2024 tamin’ny 10 ora maraina.

✔️ Mihena hatrany hatrany ny herin’i CHIDO tato anatin’ny adiny enina farany. 175 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 245 Km/ora manakaiky ny foibeny. Na izany aza dia mbola anatin’ny sokajy rivodoza mahery vaika hatrany anefa izy. Tamin’ny 09 ora maraina teo dia tany amin’ny 159 Km avaratra somary avaratra atsinanan’i Antsiranana I no nisy ny foibeny. Mizotra miakandrefana hatrany izy amin’ny hafainganam-pandeha 22 Km/ora.

✔️ Tsy miova ny vinavina mahakasika ny ho lalany izay tombanana handalo any amin’ny manodidina ny 70 Km avaratry ny tanjona Bobaomby anio tolakandro.

⚠️ Ho voakasikin’ny rindrin-drahona miaraka aminy i Antsiranana I-II manomboka ny tolakandro.

✔️ Tsy misy fiovana ny filazana loza ka:

📕📕 Loza mitatao miloko mena: ny faritra Diana sy ny distrikan’i Vohemar;
📒📒 Loza manambana miloko mavo: ny ditrikan’i Bealanana, Antsohihy, Analalava, Sambava ary Andapa.

✔️ Tombanana ho 4 ka hatramin’ny 8 metatra ny haavon’ny onja amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy avaratra andrefana mandritra ny fandalovany. Mety hiteraka fiakaran’ny ranomasina amin’ireo toerana mora tondraka izany.

⛔️ Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Cap St André sy Cap d’Ambre, ary Cap d’Ambre sy Cap Est mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza tanteraka. Entanina ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.⛔️



🔑 Météo Madagascar

Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar

Sambava SAVA ♥️
13/12/2024

Sambava SAVA
♥️

05/12/2024

Mention spéciale à mes nouveaux(elles) super fans ! Kevin Lai

05/12/2024

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Çhrís Tįæn Eurø, Rvl Félicïa, Walt Marcô, Üzy Jais Blacke, Loic RH, RH Ängëlïcã, Mia Dinah, Elissa Niai'na

SAMBAVA:Mpisoloky avo lenta amin'ny fandefasana olona  miasa any ivelany,voasambotry ny Polisim-pirenena Malagasy Sava!_...
17/10/2024

SAMBAVA:Mpisoloky avo lenta amin'ny fandefasana olona miasa any ivelany,voasambotry ny Polisim-pirenena Malagasy Sava!
__________
Tra-tehaky ny sampandraharaha avy amin'ny polisy SRP/SAVA ilay mpisoloky avo lenta ao amin'ny Facebook izay milaza azy ho afaka mandefa Malagasy hiasa any ivelany toy ny any Canada sy Nosy Maorisy ka mampiasa pejy mitondra anarana Cabinet Mirindra

Toy izao ny fanaondreo amin'izany fisolokiana izany:mody mandefa tolotr'asa maro izy ireo sady mandresy lahatra ny olona amin'n'alalan'ny MP amin'ny kaonty Fake izay ho entin'izy ireo mandresy lahatra ireo olona izay liana amin'ireo tolotr'asa ireo sady ampiarahondreo sarin'olona miaraka amin'ny passeport sy visa an'olona efa any ivelany ao amin'ny pejy mba ho entina hambamboana ny olona.

Alefandreo amin'ny message privé ao amin'ny FB ireo taratasy hosoko lazainy fa vitandreo,izay vita amin'ny karazany application ireny satria mizara roa ny fomba fandraisandreo olona sy fandoavam-bola amin'ireo ka misy ho an'izay efa manana passeport dia mandoa 2.500.000 Ar fa ho an'izay tsy mbola manana kosa dia 2.800.000Ar ka amin'ny mobile money no andoavana izany.

Aorian'izay dia omendreo fotoana na rendez vous etsy Tanjombato Antanarivo ny olona dia raha vao milaza fa efa eto zaho dia veloma fa tonga dia bloqué dreo ny kaonty, Messenger, Whatsapp, Facebook, téléphone liste noir....sans hoy ny fanazavana nentin'i commissaire chef police judiciaire Sava Andrianaivo Michel io maraina io teny amin'ny birao fiasany.

Ny famotorana nataon'ny polisy no nahafantarana fa efa betsaka ireo zanaka faritra sava sy manerana ny Nosy efa lasibatra ny fisolokiana ity avokoa.

Dia izao maraina izao no atolotra ny fitsarana ambaratonga voaloany any Antalaha ny tovolahy.
Sources :Marino Rajaonina.

Sambava SAVA Parcage taloha  rehefa aligny❤️❤️
04/07/2024

Sambava SAVA
Parcage taloha rehefa aligny❤️❤️

VAOVAO MIKASIKA TOETRAN-DRO ANDROANY-----------------------------------------------------------------------------Alakami...
02/05/2024

VAOVAO MIKASIKA TOETRAN-DRO ANDROANY
-----------------------------------------------------------------------------
Alakamisy 02 Mai 2024 - 06h30
▶ Nahazo anarana i HIDAYA 🌀 saingy manohy mikisaka miadana makany Andrefana ka manalavitra an'i Madagasikara. 👍
â–¶ Any amin'ny manodidina ny 600 km any Avaratra Andrefan'i Antsiranana izao no misy ny foibeny miaraka amin'ny rivotra manodidina ny 65 km/h sy tafiotra 90 km/h.
â–¶ Androany sy rahampitso dia vinavinaina hanohy hanalavitra antsika izy fa mandrapahalasany tanteraka dia mety mbola hitohy hatrany ny orana đź’§đź’§đź’§ any amin'ny morontsiraka Avaratra Atsinanana sy Afovoany Atsinanan'i Madagasikara.
â–¶ Antenaina hijanona maherin'ny 250 km any Avaratr'i Comores koa ny lĂ lany androany sy rahampitso ka ny fiantraikan'ny rotsak'orana betsaka no tena mila hitandremana, indrindra ho an'i Grande Comore.
Mirary soa
Cyclones Ă  Madagascar

PS: Araho hatrany ny vaovao ofisialy avoakan'ny pejy ofisialy Foibe Famantarana ny toetry ny andro izay pejy an'i Meteo Madagasikara

# # # # # # # # # # # # # # # # # # # # # #
Jeudi 02 Mai 2024 - 06h30
▶ HIDAYA a été baptisée mais continue de s'éloigner progressivement vers l'Ouest loin de Madagascar. 👍
â–¶ Son centre se trouve ce matin Ă  environ 600 km au Nord Ouest d'Antsiranana avec des vents autour de 65 km/h et des rafales Ă  90 km/h.
▶ Aujourd'hui et demain elle devrait continuer à s'éloigner définitivement de Madagascar, mais d'ici là les pluies 💧💧💧 pourront encore perdurer sur le Nord Est et le centre Est.
▶ On espère aussi que sa trajectoire restera à plus de 250 km au Nord des archipels des Comores aujourd'hui et demain. C'est l'impact des fortes pluies qui sera le plus à craindre, surtout pour la Grande Comore.
Bonne journée
Cyclones Ă  Madagascar

SOURCE:Meteo MadMeteo MadagascaraMeteo Madagascar

Address

Sambava
208

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sambava SAVA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share