Jar Akairas

Jar Akairas Rajaonarison Sariaka

17/07/2020

¤AZA MANAHY¤

Aza manahy fa izaho tsy amela
Anao ho irery,na i
anao hitomany
Fa hanohana hatrany,
Raha mbola vitako ihany
¤
¤
Fa izaho tsy adala,
Ka amela anao hijaly
Fa sambatra aho malala
Mahita anao faly
¤
¤
Ka aza manahy
Ry ilay mamin'ny foko
Fa ianao tsy hitoloko
'Zaho tsy amadika loko
¤
¤
Fa tiako ianao,
Ka raha sitrakao,
Ianao ho hampiakariko
Ho maman'ny zanako

¤jar kely¤

🌷NENY🌷Na mahantra ianao na mananaNa osa na matanjakaIty aho anolo-tananaAdidy amin'ny maha zanakaMisaotra indrindra anao...
20/05/2020

🌷NENY🌷

Na mahantra ianao na manana
Na osa na matanjaka
Ity aho anolo-tanana
Adidy amin'ny maha zanaka

Misaotra indrindra anao ry neny
Tamin'ny rehetra vitanao
Indrindra,nanatra sy niteny
Mba ahatafita ity zanakao

Ireo sedra sy ady nolalovanao
Tsapa ho mafy,eny,mahamay
Lalina loatra ny fitiavanao
Neny ô!ianao tena maminay

Mankasitraka neny mankatelina indrindra
Fa tena niharitra ianao nigoaka mangidy
Nitarika anay ho tsara famindra
Neny ianao tena sarobidy

Mifona ry neny tamin'ny rehetra tsy nety
Nahatonga anao alahelo ka lasa narary
Indro aho mivalo mahatsapa fa resy
Fa tsy misy mahasolo anao raha mbola eto an-tany

Hifonako ireo adalana sy ditra
Ho soloiko ireo sentosento sy jaly
Ianao tsy avelako mbola hipitrapitra
Ny tanjoko ry neny,ianao tsy maintsy mifaly

Ny teniko izay mety nandratra
Eny ny fihetsiko mety tsy ho zaka
Mifona ry neny fa tsy hamerina intsony
Tsy hapietsi-po anao fa tena ho tony

Mangataka indrindra aminao ry Ray
Mba ahantanjaho ny sain'ity reninay
Ka mba omeo azy avokoa
Izay Fantatrao mety ahasoa

Neny,mahereza indrindra hoy ity zanakao
Mirary indrindra anao ho sambatra
Mbola betsaka mantsy ny adidinao
Ny Tompo hombanao mandrapitsahatra

Irariako indrindra ianao ho lava andro iainana
Ka ho hambinina,ho salama tsara
Ahatsapa finaritra ety amin'ity fiainana
Hiara-paly amin'ny taranaka amam-para

Jar Kely ✊Jar Kely✊

ZANAKA SAHIRANAIzao anie mafy adyZanaka sahiranaNy filanjanay angadySao lahy anahirana😐Fa vao mangirandratsy😥Dia ny laha...
27/04/2020

ZANAKA SAHIRANA

Izao anie mafy ady
Zanaka sahirana
Ny filanjanay angady
Sao lahy anahirana😐

Fa vao mangirandratsy😥
Dia ny laharapahamehana,
Mandeha eroa,mandeha atsy
Mitady izay hameloma-tena

Tsy mba misy hantenaina,😥
Fa tsy maintsy ny heri-po,
Izay iany no handrandraina
Satria io no tsy mba loa

Tsy kivy anefa fa mitraka😊
Tsy mitaraina ihany koa
Anjara io tsy maintsy zaka
Fa fitsapana avokoa💪

Inoako mantsy any aoriana
Hoe izaho tena ahatsapa
Ny fianana feno filaliana
Zandrikely mbola ho tafa✊

⚡Jar Kely⚡

Efa iny izaho varianaMaminaviana ny any aorianaMandinika ny zava-mitrangaDia toa lasa gagagagaInona tokoa moa?No tanjona...
19/04/2020

Efa iny izaho variana
Maminaviana ny any aoriana
Mandinika ny zava-mitranga
Dia toa lasa gagagaga

Inona tokoa moa?
No tanjona ety
Moa tsy mbola ho loa
Izao rehetra zao?

Aza mankafy,aza miankidoha
Ny zavatra ety,indrindra ihany koa,
Aza tia tena,
Fa izany no fahalemena
Mambotry firenena

Fa isika rehetra izao,
Dia samy mbola ho vovoka
Samy mbola ho rava
Eny,tsisy hijanona,fa tsy maintsy mbola handeha
Andeha ho tsaraina,
Ka aza mba malaina
Manao asa soa
Ataovy tena
Fa tsy ho very maina
Sy tsy mba hangaina
Enao rahatrizay
Fa ho hankasitrahan'i RAY

Jar Kely

✊MILA MIARITRA✊Mila miaritra letsyRaha te ho tafavoakaMila koa mba fetsifetsyFa tsy hoe mafy dia hitsoakaMila mihafy koa...
15/01/2020

✊MILA MIARITRA✊

Mila miaritra letsy
Raha te ho tafavoaka
Mila koa mba fetsifetsy
Fa tsy hoe mafy dia hitsoaka

Mila mihafy koa
Raha te ahita soa
Ny hoavy ao ariana
Mba tsy ahita fahoriana

Mila heri-tsaina
Mila heri-po
Mba tsy hangaina
Na hatsiaro tena voa

Mila foana miezaka
Mila ihany koa mitraka
Aza mety ho reraka
Na inona no mety tsy ho zaka

Tratraro ny tanjonao
Na betsaka ny olana
Ny marina ihany atao
Mba hivaha ny fatorana

Aza mora kivy
Mahereza hatrany
Fa mamy sy mangidy
Ny fiainana eto an-tany

Jar Kely

😢VELOMA RY TANÀNA😥Veloma ry tanànaTany nahalehibehazakoTsy hoe akory tsy tamànaKa andao anao ny tavakoFa andeha aho mbol...
05/01/2020

😢VELOMA RY TANÀNA😥

Veloma ry tanàna
Tany nahalehibehazako
Tsy hoe akory tsy tamàna
Ka andao anao ny tavako
Fa andeha aho mbola hiverina
Hitady izay mahasoa
Satria tsy azo afenina
Fa mila manomana ihanikoa
Ny hoavy rahatrizay

Ekeko hoe mafy
Matsiaro tena banga
Nefa mila miafy
Raha te ho olo-manga
Sy te ho tafita,raha te oany am_pita

Ka dia mila miaritra
Mba ho tena tafa
Fa tsy hoe finaritra
Iteny fa tsy zaka
Izay sedra kely mety andalo
'Ndrao hifaly aminao ny fahavalo
Fa mila miezaka lalandava,
Mba tsy sanatria ho rava
Fa ho mpandresy hatrany
Na inona miseho eto an_tany

Ka veloma ry tanindrazako
Fa andeha aho aloha
Eny na tsy ho tazako
Manakaiky anao ny fo
Hitady izay hatsara,
Dia ny mbola tsy tara
Ho anao ry Nosy tiako
No anton'ny efiko
Hanefako ny adidiko

Jar Kely

🎉TAOM-BAOVAO🎉Misaotra indrindra JesoaFa mbola notahinaoKa natratra soaIty taona vaovaoArahabaina isika tsy akanavakaFa m...
04/01/2020

🎉TAOM-BAOVAO🎉

Misaotra indrindra Jesoa
Fa mbola notahinao
Ka natratra soa
Ity taona vaovao

Arahabaina isika tsy akanavaka
Fa mbola velon'aina hatramin'izao
Aza adino ny mivavaka
Misaotra Ilay Tomponao

Enganie ity taom-baovao
Hitondra fahombiazana
Ka indrindra no atao
Hanamafy fihavanana

Mba ho taona sarobidy
Ho lavitry ny tomany
Ka na mamy na ho mangidy
Dia ho fenoina tsikitsiky ihany

Mirary soa ho anao
Ahita fifalina foana
Amin'ity taona vaovao
Ka mbola ho tratran'ny amin'eritaona

Jar Kely

Any ianao ry tiakoAny alavitra anyIlay efa nofidikoHo namako eto an-tanyAny ianao malalaTiako ho tsapanaoFa izaho mila h...
30/12/2019

Any ianao ry tiako
Any alavitra any
Ilay efa nofidiko
Ho namako eto an-tany

Any ianao malala
Tiako ho tsapanao
Fa izaho mila ho lasa adala
Tsy eo anilanao

Any ianao ry vadiko
Mba hendre rahavako
Fa mijaly ny fanahiko
Raha sanatria ianao maditra, Ianao mantsy no hoaviko

Matoky anao ity foko
Manantena fianan_tsambatra
Lavitry ny toloko
Fa hiadana finaritra

Tsika tsy mba manam_bola
Tsy mba manankarena
Fa sambatra isika miara_midola
Amin'ny fitia tsy hay fefena

Tsika mbola vao mihary
Ny hoavitsika rahatrizay
Ka tsy azo atao ny manary
Ny fotoana sao ho fay

Ka aleo dia eny zao
Hiezaka tsika sy ianao
Ka ny mahasoa no atao
Hiatrika fiainam_baovao

Ekeko tsika mifankatia
Hirariana mba ho doria
Fa izany mila fifehezan-tena
Mba tsy ho lasa fahalemena

Jar Kely

😊FARAN'NY TAONA😊Efa hifarana ny taonaIanao mba nanahoanaNandritra izay fotoanaNilamina sa hoe nõna??Na inona niseho Na i...
28/12/2019

😊FARAN'NY TAONA😊

Efa hifarana ny taona
Ianao mba nanahoana
Nandritra izay fotoana
Nilamina sa hoe nõna??

Na inona niseho
Na inona nitranga
Mbola io ianao
Fa nambinin'Andriamanitra

Mety nisy jaly
Mety nitomany
Nefa koa efa faly
Fa izay ilay eto an-tany

Arahabaina ianao
Fa mbola tratra izao
Ka mirary anao
Ho tratran'ny taona vaovao

Mirary soa indrindra
Mba ho fiainana mirindra
Ka mba hiova famindra
Raha sanatria tsy nahay nandrindra👋

Jar Kely Jar Kely

🌑SASAK'ALINA🌑Iny sasak'alina inyNo mampitamberina indrayIreo lasa fahinyNiaonatsika tamin'izay💚Iny fotoana sasak'alinaNo...
24/12/2019

🌑SASAK'ALINA🌑

Iny sasak'alina iny
No mampitamberina indray
Ireo lasa fahiny
Niaonatsika tamin'izay💚

Iny fotoana sasak'alina
No nandraisanao ny tanako
Izay tony sy nilamina
Tsy mba mety ho voafafako💜

Iny sasak'alina iny mantsy
No natsapako fifaliana
Toa aina lasa vatsy
Rehefa iny mangingina😢

Fa sasak'alina ihanikoa
No naterahan'i Jesoa
Inoako marina tokoa
Amiko,ny sasak'alina mitondra soa👌
(FIAINAN'OLONA)

Jar Kely 24/12/19

❤NENY❤Izy ilay vehivavy,niaritra ho anaoTsy mba nataony,ho latsa-danja ianaoFa niezaka izy,na dia efa mila ho faninaMba ...
23/12/2019

❤NENY❤

Izy ilay vehivavy,niaritra ho anao
Tsy mba nataony,ho latsa-danja ianao
Fa niezaka izy,na dia efa mila ho fanina
Mba ho ankizy,sy lasa olom_banona😊

Raha sendra solafaka,izy eo ihany
Manampy anao ho afaka,ny setrasetra eto an-tany
Tsy mamela anao irery,tsy mamela anao hangiana
Eny,mitondra hery,mitondra hafaliana😊

Ny fitiavan'i neny,hafa mintsy izany
Fa hatramin'ny mbola kely,no efa niharitra hatrany
Raha sendra naharary,dia izy tsy mahatombina
Tsy mba nanary,fa niezaka nitsimbina💝

Misaotra anao ry neny,tamin'ny vitanao
Fa zava_dehibe ireny,rehetra nataonao😍
Ho lava andro iainana,ka tena aharitra,
Mba hisy hitarainana,angatahiko amin'Andriamanitra🙏

Tiako iano ry neny,eny tena tiako
Nananatra niteny,ka ny anto-pisiko
Dia hamaly ireny,fikelezanao aina
Misaotra indrindra neny,fa tsy ho very maina
Ny ezaka nataonao,fa ity ny zanakao❤
Hamaly soa anao💝

Jar Kely 23/12/19

Address

Manjakandriana

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jar Akairas posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category