20/06/2020
NY SAKALAVA
👉Sakalava dia fanafohezana ny teny hoe Antesakalava,
iantsoina ny karazana mponina iray na Foko tsy mba mipetraka amin’ny toerana iray fa miampita hatrany hatrany : ranomasina, renirano, tanety, lohasaha,….
fa tsy nalaina tamin’ny teny frantsay « chat long », na « largeur » na sakany akory.
👉Ny Maroseranana no nipoiran’ny Sakalava toy ny Mahafaly ihany koa.
Tany amin’ny Taonjato Faha XVI, na taloha kely aza, no niforona ny Maroseranana.
🀄Ary araka izany anarany izany dia Mpiatsambo mivelona amin’ny asa varotra (Olona, lamba La Soie, kojakoja isan-karazany, sns), tamin’ny Morontsiraka Madagasikara sy Afrika Atsinanana…ary azo heverina fa tonga hatrany Arabia (Golf d’Oman) hatrany Inde tany izy ireo.
Olona avy amin’ny firenena 4 samy hafa nitambatra no manome ny Maroseranana :
🀄ny Buky (na bouques, niantsoina koa ny Malagasy),
🀄ny Arabo,
🀄Ny Afrikana (Zanzibarites, Makoa),
🀄Comoriens ary 🀄ny Indiana.
🚣♂️Botry misy voaly na Lay vita amin’ny Tsihy no nentin’izy ireo nitety ny Ranomasina tamin’izany.
👉Rehefa nifandray ara-barotra i Europe sy ny Faritra Asie, marimarina kokoa ry zareo Portuguais, izay nodimbiasin’ny Hollandais, Anglisy sy ny Frantsay – dia nanomboka sarotra ny Fiveloman’ny Maroseranana –
Tsy nahatoraka itony Caravelles mankadiry mahazaka olona sy entana maro, ka dia nanampaka hevitra fa honina sy hipetraka amin’ny Tanibe (terre ferme)
👉Tany amin’ny faramparan’ny Taonjato faha XV, tao Atsimo Atsinanan’ny Nosy no toerana nosafidian’ireto Maroseranana hitoerana - Isaka no anara’io faritra sady Fanjakàna io – Antsointsika ankehitriny hoe Vangaindrano.
Efa nisy mponina anefa ny Faritra – dia lasa nifindramonina niankandrefana ny ankamaroany – Ny sasany nijanona teo ihany.
👉 Ireo no antsoina hoe Antesaka – Andiany hafa niakatra nianavaratra toha nihanika ny tendrombohitr’i Bezavo ary nitoetra ao Vondrozo : ireo no antsoina hoe Safatra (Chafatr hoy Hubert Deschamps).
👉Ireo niankandrefana,raha ny fitantaran’i Berthier, dia nanaraka ny Lemak’Itomampy ary nitoetra teo amoron’ny renirano Onilahy.
Ireo mponina tompontany tamin’ny ampita avia ny renirano Onilahy no nifidy ho mpitarika azy ireo ny Lehiben’ireto vahiny mpiavy ireto –
Noho ny tsy fankazahoana anatiny sy fitsofohana matetika ataon’ireo foko manodidina – dia voatosika ary niakatra miandalana nianavaratra ireto Mpiavy, niampita an’i Fiherenana ary dia nijanona nitoetra teo amin’ny Reniranon’i Mangoky.
👉Tamin’ny Taonjato Faha XVII, tao Analamahavelona no nipoitra ny Lehilahy iray niavaka indrindra tamin’ny fitondràna, fandaminana, faranitantsainy raha oharina tamin’ireo teo alohany toa an-dry Andriamikimiky, Ramandriakatsiriaka, Andrianlimbe izay tsy iza fa izany Dian Banlouhalen (voatantaran’i Flacourt) : I Lehifoty no anarany na Andriandahifotsy nantsoina ihany koa hoe Rabararatavokobe, zanak’i Andriansara (Arabo).
🤴Izy no nisalotra anarana Mpanjaka Sakalava voalohany : Mpanito na Mpanapaka na Mpandidy.
Nomeny anarana hoe Itsororobola ny renivohitra niandohany io.
⚡Manaranaka ny fifandimbiasam-pahefàn’ny Mpitondra ka arakarajokiny, izany no nahatonga ny fiteny hoe « Dynastie Maroseranana na koa Dynastie Sakalava.
Rehefa niditra avy any Atsinanana no niankandrefana ny Sakalava dia niakatra nianavaratra indray, ary « FADY » ny miverina midina mianatsimo raha ny tokony ho izy.
Mizara roa ny fanitarana Fanjakàna :
ny fanambadiana vehivavy maro zanaky ny lohambohitra manodidina (Polygamie),
na amin’ny alalan’ny fanafihana mivantana.
Mpiady na « guerriers » ny Sakalava.
Andriamandazoala, iray tamin’ireo zanany maromaro no nofidiany handimby an’i Andraiandahifotsy, rehefa nankatoavin’ny Mpanalontsainany.
Andriatsionda, zanany lahimatoa indray no nandimby azy.
Tsy mba nanitatra fanjakàna izy, ny taniny indray aza no saika lasan’ny hafa.
Iray ihany ny vadiny, lahitokana ny zanany : izay nandimby azy : Andriambeomeoko.
Niamboho tanora i Andriambeomeoko –
Roa lahy ny zanany i Ravahofotsy sy Ravahomena.
🤴Ravahofotsy taizan’ireo Masy tao Andapa tany Fiherenana no nadimby an-drainy. Maty an’ady teo ampanitarana fanjakàna izy.
Ny ralahiny Ravahomena no nandimby azy.
🤴Ravahomena indray niteraka an’Andriamisara sy Andriamandresy.
I Andriamandresy no nofidian’ny vahoaka handimby an’i Ravahomena.
Andriamisara nionona tami’ny asa fandrafetana fa nitazona hatrany ny maha Mpanito azy hatrany.
Nahay niady i Andriamandresy – niverina azony avokoa ireo tany lasan’ny Mahafaly tamin’ny andron’ny Andriamandazoala – nitatra ny haben’ny faritra sy tany nanjakany.
Ny tena nampalaza an’i Andriamandresy dia ny namindran’ny Taolan’ireo Mpanjaka Raiamandreniny (antsoina hoe Dady) nilevina tany Itsororobola nafindrany tao Benge, akaikin’i Inosy, napetraka ao anatin’ny Aranka (nécropoles) vita amin’ny Hazomalagny (Faux camphrier).
Mbola hitohy...
Loharano : « Les dynasties Maroseranana, Firinga » ; « Origine et sens du nom des Sakalava de Madagascar, Louis Mollet »
🧿Yvon Namelankafatra Rakoto