07/03/2025
Koa satria sehatra iray ifampizarana ny eto dia ezahinay no mampahafantatra bebe kokoa eto ny ;
π΄ Fitambarana haiady maromaro efa nisy teto Madagasikara ary mbola hianarana ny ampahan'ireo ao anatin'ny fianarana satria sady mamelona ny haiady nentim-paharazana (art traditionnel) no mamelona ihany koa ny kolontsaina zay eto amin'ny Tanintsika ity.
Isan'ireo haiady ao anatiny ireto lazaina eto ireto:
π Dodoria
π Diamanga
π Savika
π Beda
π Bango
π sns ...
Mazava hoazy fa ny teto Madagasikara dia samy nanana ny haiadiny ny faritra maromaro: tao ny Doranga, ny Moraingy, ny Savika, ny Diamanga, ny Ringa sns ....
Eny tompoko, amin'ny teny Malagasy avokoa ny teny rehetra ato amin'ny HARTEMA toy ny hoe: daka, kapoka, vely, sns ...