07/05/2026
𝗙𝗜𝗧𝗦𝗜𝗗𝗜𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗣𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗢𝗙𝗜𝗦𝗜𝗔𝗟𝗬 🇲🇬♟️
Tonga nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy Ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Alain Désiré RASAMBANY ny delegasionan’ny Federasiona Malagasy taranja Echecs (FMJE), izay notarihin’ny Filoha, Johanna RAKOTONIAINA TIANA, niaraka tamin’ny Sekretera Jeneraly, Jenny RAHAJAMIARISOA, anio 7 Mey 2026.
Nandritra izany fihaonana izany no nifampizarana hevitra mikasika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, indrindra amin’ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny taranja échecs eto Madagasikara, ho fanohanana ny tanora sy ny fanabeazana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena ara-tsaina.
Voaresaka manokana ihany koa ireo vina sy tetikasa maro azo iarahana manatanteraka ho fampandrosoana ny tontolon’ny échecs Malagasy. Betsaka tokoa ireo hevitra vaovao sy fijery mifandraika amin’ny tanora no nifampizarana nandritra ny fihaonana.
Naneho ny fahavononany hatrany ny FMJE hiara-hiasa akaiky amin’ny Ministera, amin’ny fametrahana vina iombonana sy tetikasa maharitra ho tombontsoa ambony ho an’ny taranja échecs sy ny tanora Malagasy.
Isaorana manokana Andriamatoa Minisitra Alain Désiré RASAMBANY tamin’ny fandraisana sy ny fifanakalozana ary maneho fanohanana ny tontolon’ny échecs Malagasy.
Ministère de la Jeunesse et des Sports
Johanna Tiana Rakotoniaina
Jane Raja