12/11/2025
Championnat National Seniors 2025 à Toamasina
30 Oktobra - 09 Novambra
👉 Ny TMI HBC dia mitondra teny fisaorana mitafotafo ho an'ireo Olona izay niantoka sy nanampy ary nitondra anjara biriky, nahafahana nandray anjara mavitrika tamin'iny Fifaninanam-pirenena iny.
👉 Laharana faha-3 no vokatra azo teo anatrehan'ireo Klioba 07 nandray anjara avy amina-Ligim-paritra 06 (Ihorombe, Amoron'i Mania, Analamanga, Bongolava, Antsinanana ary Analanjirofo). Tapakila hahafahana mandray anjara amin'ny "Championnat des Clubs Champions de l'Ocean Indien" (CCCOI) izay hatao ato ho ato.
💯 Isaorana manokana ny Solombavambahoaka, Dr Clarisse Manjary, voafidy tao Ivohibe, izay niantoka tanteraka (mandroso sy miverina) ny fitaterana Ihosy - Toamasina - Ihosy, izay anisany fandaniana goavana rehefa hamonjy fifaninanam-pirenena.
👉 Ho fampahatsiahivana dia Rtoa Solombavambahoaka no Filoham-boninahitra mpiahy ny Klioba nanomboka ny taona 2022 ka hatramin'izao.
💯 Fankasitrahana feno no atolotry ny Filohan'ny Klioba, ny Mpanazatra sy ireo Mpilalao amin'ny fanohanana ny Tanoran'Ihorombe, izay tsy nampitsanga-menatra ny vokatra azo.
Misaotsy rolahy!!!