17/11/2025
📣Ianao ve toa ahy?
Te ahafantatra izany tantara mafana ny dihy Mihaja sy ara-panatanjahantena izany?
Mazotoa ary mamaky 😉 fa Vaovao mafana be.
Araka ny nambaran’i Mickael andriamaharavo tao amin’ny lahatsoratra navoakany, dia misy tranga maro mampiseho tsy fanajana ny lalàna sy fitsipika mifehy ny dihy mihaja sy ara-panatanjahantena. Voalaza fa miteraka fikorontanana sy fanafintohina eo amin’ny sehatry ny dihy ankehitriny izany toe-draharaha izany.
Nampitain’ny mpandray anjara maro fa tsy voahaja ny zon’ny mpandihy, ary anisan’izany ny fanamarihan’i Rantsana Ranaivoarison sy ireo mpiara-dia aminy. Voaresaka ihany koa ny fidiran’ny filohan’ny FMDSS tao anatin’ny fizotry ny fifidianana, izay heverin’izy ireo fa tsy mifanaraka amin’ny etika sy ny fitondrana tompon’andraikitra.
Nolazain’ny hafa fa tsy nisy fifidianana mazava sy mangarahara natao, ary toa nisy fepetra nentina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna na tsy nisy fahafahana ara-demokratika, toy ny fanaovana fifidianana « huis clos ».
Noho ireo antony ireo dia nilaza am-pahibemaso ireo mpisehatra fa tsy hanaiky intsony ny rafitra sy fomba fiasa tsy manaraka ny fitsipika.
Tsara marihina fa mpandihy matihanina, efa nisolo tena an’i Madagasikara, ary efa tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny dihy mihaja sy ara-panatanjahantena ny ankamaroan’ireo nanao ireo fanehoan-kevitra ireo.