Manda Razafiarinivo

Call Directions

Manda Razafiarinivo Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Manda Razafiarinivo, Coach, Antananarivo.

🧠 Établir des liens intimes avec soi-même, les autres, la nature ou une réalité supérieure
🧘‍♀️ Coach Intuitive | ✨ Accompagnement & Bien-être ❤️ Motivation • Amour • Transformation
💼 Business • Mindset • Réussite

🧠 REHEFA MBOLA FENO RATRA AO ANATINAO, AZA MAIKA HAMALY ❤️‍🩹tsy voatery  ny zava-mitranga no tena mampijaly anao, fa ny ...
23/10/2026

🧠 REHEFA MBOLA FENO RATRA AO ANATINAO, AZA MAIKA HAMALY ❤️‍🩹

tsy voatery ny zava-mitranga no tena mampijaly anao, fa ny ratra mbola tsy sitrana ao anatinao.
Rehefa mbola mitondra ratra dia mety ho tezitra isika ka hiteny zavatra hanenenana any aoriana.

Mety ho diso fandray ny tenin'ny hafa isika, na handray fanapahan-kevitra noho ny hatezerana, ny tahotra, na ny fahadisoam-panantenana.
Fa tadidio izao: tsy voatery hamaly ny zavatra rehetra eo no ho eo ianao. Tsy voatery handray fanapahan-kevitra rehefa mbola mikorontana ny ao anatinao.

🧠 Ny olona mahay mifehy ny fihetseham-pony dia tsy olona tsy marary, fa olona mahay manome fotoana ny tenany alohan'ny hihetsika.

Rehefa misy zavatra mandratra anao:
✨ Mijanòna kely alohan'ny hamaliana. ✨ Omeo fotoana ny fonao hilamina.
✨ Fantaro izay tena tsapanao, fa aza avela hibaiko anao ny fihetseham-po vetivety.
✨ Ianaro ny manasitrana ny ratrao, fa tsy ny manafina azy fotsiny.

Tsarovy fa rehefa mbola misokatra ny ratra, na dia ny fikasihana kely aza dia mety hampanaintaina.
Toy izany koa ny ao am-po. Indraindray, tsy hoe te-hamaly ratsy ianao, fa mbola misy fanaintainana ao anatinao mila sitranina.


⚠️ AZA AVELA HO MORA FITAHINA NY FAHATSORANAO.Aza manaiky ho voafitaky ny teny mamy sy  ny fampanantenana poakaty, na ny...
22/10/2026

⚠️ AZA AVELA HO MORA FITAHINA NY FAHATSORANAO.

Aza manaiky ho voafitaky ny teny mamy sy ny fampanantenana poakaty, na ny fihetsika miseho ivelany fotsiny......

Ny fahatsorana anie hery ao anatinao e! fa tsy midika hoe tokony ho mora fitahina ianao.
Ianaro ny manavaka ny olona tena manaja anao sy ireo olona manararaotra ny hatsaram-ponao.

👉 Mahaiza miteny hoe Tsy
"Tsy mety amiko izany" aminy fotoana ilaina izany.

👉 Aza matoky teny lazaina fotsiny, fa jereo koa ny fihetsiny hoe mifanaraka aminy teny lazainy ve?

👉 Omeo lanjany ny tenanao, satria rehefa hainao ny manome lanja ny tenanao dia tsy misy afaka manambaka anao izany.
Ary tsisy afaka anararaotra ny fahatsoranao.

⚠️MAMELÀ AZY FA AZA ADINO NY LESONANy fahamelan-keloka dia tsy midika mihintsy hoe nanadino ny ratsy natao taminao ianao...
19/10/2026

⚠️MAMELÀ AZY FA AZA ADINO NY LESONA

Ny fahamelan-keloka dia tsy midika mihintsy hoe nanadino ny ratsy natao taminao ianao.
Fa ny famelan-keloka dia dingana iray manasitrana anao aminy lasa izay nandratra anao...

✔️Rehefa nisy olona nanao ratsy taminao dia maratra foana ianao isakiny mahita azy, na dia efa nandeha ary ny fotoana dia mbola maratra ihany satria ianao tsy nety namelà azy mihintsy fa nitahiry ny ratsy vitany ao anatinao foana.
•Lasa négatif lava.
•Lasa Ambany be ny énergie.

Dia mamotika anao tsikelikely ilay izy.
Satria isakiny ahita azy ianao dia toizay foana ny toe-ponao.

✔️tsy hoe resy ianao raha Mamelà olona iray ary tsy midika akory izany hoe iverina hifandray aminy ianao raha Mamelà azy
Fa fomba iray iarovana ny toe-ponao izany.

✓Aza mitazona alahelo aminy intsony
Tapao tanteraka ilay Lien tsapanao fa manimba anao amin'iny olona iny.

✓Tsy voatery hankahala kanefa tsy mifandray aminy . Zay ilay hoe ny famelan-keloka tsy midika hoe nanadino ny ratra fa nahay nametraka Limite sy naka lesona ianao.


N’abandonne jamais. 🌙✨Même lorsque le chemin devient difficile, rappelle-toi pourquoi tu as commencé.Chaque petit pas co...
19/10/2026

N’abandonne jamais. 🌙✨

Même lorsque le chemin devient difficile, rappelle-toi pourquoi tu as commencé.

Chaque petit pas compte, même ceux que personne ne voit.

Les difficultés ne sont pas là pour te faire renoncer, mais pour te rendre plus fort(e).

Crois en toi, avance à ton rythme et garde confiance.

Ton moment viendra. Ce que tu construis aujourd’hui sera ta fierté de demain.

❤️Continue d’avancer.
Tu es capable de bien plus que tu ne le penses. 🌕✨

🧠MIANARA MANDRAY FANAPAHAN-KEVITRA....Anisan’ny zavatra sarotra indrindra eo amin’ny fiainana ny mandray fanapahan-kevit...
10/10/2026

🧠MIANARA MANDRAY FANAPAHAN-KEVITRA....

Anisan’ny zavatra sarotra indrindra eo amin’ny fiainana ny mandray fanapahan-kevitra, satria matahotra ny hanenina.

🌿Ka Alohan’ny handraisanao fanapahan-kevitra, omeo fotoana aloha tenanao.

✔️ Mianara mandinika. Aza maika rehefa mbola entin’ny hatezerana na ny fihetseham-po.
✔️ Henoy ny tenanao,Anontanio hoe: Mifanaraka amin’ny zavatra tadiaviko ve ity safidy ity?
✔️ Matokia ny safidinao.
Rehefa avy nandinika tsara ianao, aza avela hanakana anao tsy handroso ny fisalasalana.
⚠️ Mahaiza mandray ny vokatry ny fanapahan-kevitrao.
Raha tsy araka izay nantenainao no mitranga, raiso ho lesona izany fa aza atao antony hanamelohana ny tenanao.
❤️ Tadidio fa tsy ny fanapahan-kevitra rehetra no hitondra vokatra tsara, fa ny fahendrena dia ny mahay mandinika, misafidy ary mianatra avy amin’ny zavatra niainana.


⚠️ TANDREMO NY "MAUVAIS CHOIX"! Mety misy zavatra tena sarobidy mandalo eo aminy fiainanao.Fa Ny fanapahan-kevitra raisi...
06/10/2026

⚠️ TANDREMO NY "MAUVAIS CHOIX"!

Mety misy zavatra tena sarobidy mandalo eo aminy fiainanao.
Fa Ny fanapahan-kevitra raisinao no hamaritra raha hotazoninao izy io na hamotsotra azy tanteraka ianao.

Indraindray, rehefa mandeha ny fotoana, dia manontany tena ianao hoe:

• “Fa maninona no tsy mba misy opportunité mihintsy ny fiainako?
• “Fa maninona no tsy mba mahazo ilay zavatra tena nifanaraka amin'izay nantenaiko aho?”

✔️Fa fantatrao ve?
Indraindray, ce n’est pas que l’opportunité n’existait pas…
Fa ianao no tsy nahay nisafidy tamin’ilay fotoana tena tokony hisafidianana.
Navotsotrao ilay zavatra sarobidy tokony ho chance ho anao, Dia tadidio fa tsy ahita zavatra mitovy amin’iny intsony ianao na andeha aza ny fotoana, ary iteraka nenina lalina....

🌱 Mianara misafidy izay tena mendrika anao
Mianara mamantatra izay tena correspond à tes valeurs, à tes besoins et à la personne que tu veux devenir.
Aza manao décision noho ny
"peur, solitude,pression".

🥹Satria indraindray, une mauvaise décision prise dans un moment de faiblesse peut avoir des conséquences pendant plusieurs années.
Ny MAUVAIS CHOIX ataonao indray mandeha dia mety:

• Hampiverina anao amin’ny toerana efa nanimba anao,nandratra anao.....
• Mety hanimba avenir anao mihintsy ary.
Tsy ny safidy rehetra no azonao averina.
✨ Noho izany, mianara misafidy izay mampandroso anao, fa tsy izay mahazatra anao fotsiny..

🧠 TSY NY OLONA MALAHELO REHETRA NO TRATRANY DÉPRESSION ❌Tsy moramora izany dépression izany ary tsy ny olona malahelo re...
03/10/2026

🧠 TSY NY OLONA MALAHELO REHETRA NO TRATRANY DÉPRESSION

❌Tsy moramora izany dépression izany ary tsy ny olona malahelo rehetra no dépressif.

Ny olona malahelo dia vokatriny fihetseham-po aradalana iainan'olona rehetra rehefa avy mandalo
•Séparation na situation difficile , déception, mety Malahelo, mitomany fa mbola mahita fifaliana vokatriny fo ary tsy milona ao anatin'ilay zava-mitranga ela loatra.

🥹NY DÉPRESSION kosa fitambarany alahelo ratra tsy hay faritana tsy vita fotsiny hoe
mahereza ee!
Ny olona dépressif dia vokatriny fahadisoam-panantenana mafy, Lasa tsy matoky olona intsony.

✅Tsy mahita ny zavatra Mahafinaritra
Tsisy mahafaly azy intsony mandalo eo anatrehany, lasa sarotra mifantoka aminy tenany mihintsy...

Ary mifamaofao ao anatiny ny hoe tsisy dikany intsony "aho" eeee...

❌NY OLONA EFA AO ANATY DÉPRESSION
Dia tsy olona hiteny azy hoe
"Mahereza ee"
"Avelao zany ho any"
"Manovà fiainana vaovao"
✋Tsy izany no ilainy
Fa olona afaka miheno azy, Olona afaka amoahany ny alahelony, olona tsy hitsara azy anampy indray ny ratrany.

🌱 Lesona iray :
Tsy voatery hanana solution foana ianao rehefa misy olona mijaly toizany.
Fa ny présence-nao, ny fihainoanao azy, ary ny fahatakaranao ny fijaliana mahazo azy no fanampiana lehibe afaka omenao azy, iny dia efa manampy azy tsikelikely iarina indray.

💔Tsy mitovy mihintsy ny Alahelo sy ny dépression.

📩 Raha tsapanao fa ao anatin'io ianao , dia fotoana izao hijerenao ny tenanao manokana.

28/09/2026

🚨TSY ANJARANAO NO MANASITRANA NY RATRAMPON'OLONA.
💔izay mbola tsy sitrana taminy lasany
🌱Raha mbola mifatotra aminy lasany ny olona iray ka miditra aminy relation vaovao, dia matahotra mandeha irery izy ary ianao dia ho lasa fitaovana anasitranany ratrany.
🌱 Manomboka manao ezaka tsy tokony ho atao ianao.
❌Ary Tandremo mety iafara aminy
Dépendance affective no iafaranao satria izy tsy stable fihetseham-po
dia ianao no iezaka itady azy....

🧠 NISY FOTOANA AHO NIERITRERITRA FA EFA TARA.🚩 Nijery ny fiainan’ny hafa aho, dia nanontany tena hoe :“Fa maninona izy e...
26/09/2026

🧠 NISY FOTOANA AHO NIERITRERITRA FA EFA TARA.

🚩 Nijery ny fiainan’ny hafa aho, dia nanontany tena hoe :
“Fa maninona izy efa lasa lavitra… fa izaho mbola toy izao foana ?”
Niezaka aho, Niady,Niasa, Nanana tanjona.
Fa toa tsy hitako ilay progrès!
🫀 Rehefa mahita olona mitovy taona amiko efa tafita aho, dia lasa nanana doute
“izaho mihintsy angamba no tsy mahavita ?”
Lasa ketraka, very confiance en moi, ary niafara tamin’ny fanomezana tsiny ny tenako mihintsy.

💗Fa tatỳ aoriana, nianatra zavatra iray aho :
👉 On n’a pas tous le même timing.
Mety hoe ny hafa efa mijinja, fa izaho mbola ao anatin’ny phase de construction....
dia nanomboka nanatanja-tsaina aho hoe:

Tsy mitovy ny parcours.
Tsy mitovy ny circonstances.
Tsy mitovy ny timing.

🔺 Teo aho nanomba niteny taminy tenako hoe tsy mitovy ny réussite ny hafa.
Nobaikoko foana ny tenanko,Aza mandany énergie amin’ny comparaison.
Ampiasao amin’ny construction de ma vie ilay énergie....
Tsy nanontany tena intsony za hoe “Efa aiza izay izy ?”
Tsy nijery izay nikasika azy intsony aho.
Fa nanohy ny lalana kely izay vitako.
Ny tanjoko dia ny hoe tsy hijanona aho.

🫂Toizay koa ianao manomboha na dia miadana aza fa aza ampitahaina aminy hafa ny fiainanao.

“Inona no azoko atao androany mba hanakaiky kokoa ny tanjoko ?”
Mandrosoa. Na kely aza. 🌱

🕕🙄
25/09/2026

🕕🙄

Address

Antananarivo

Telephone

+261331974219

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Manda Razafiarinivo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category