16/03/2025
CHAMPIONNAT DE MADAGASCAR "CROSS COUNTRY U16, U18, U20 ET SENIOR" A IHOSY REGION IHOROMBE.
Tontosa omaly 15 Mars 2025 tao Ihosy faritra Ihorombe ny fifaninanana "Cross Country" nifanandrinan'ireo Ligue d'Athlétisme manerana ny Nosy. Dimy mianadahy ireo ankizy nisolotena ny Club ESAA nandritra izany izay ahitana an'i Esther U20F (6km), Mika sy Josoa U16G (4km) ary i Blandine sy Rodia U18F (4km). Tsara avokoa ny ezaka nasehon'ireo ankizy ireo ary nahazo medaly volafotsy iray ny Club ESSA vokatr'izany teo amin'ny hazakazaka 4km U16 F nisy an'i Rodia.
Misaotra ireo Ray Aman-dReny mpitantana ny Club ESAA nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka tamin'ny fiatrehana io évènement io. Isaorana ihany koa ireo Ray Aman-dRenin'ny Ankizy nandefa sy nanohana ireo ankizy ireo hatramin'ny farany. Misaotra ireo mpanazatra nikolokolo azy ireo. Dia misaotra ireo rafitra arampanatanjahatena misy rehetra sy ireo mpanohana ary ny mpankafy sport Malagasy rehetra.
ALEFA ESAA.