29/10/2025
Inona no tokony ataon'ny Coach ( Posture) rehefa manampy olona hanao SQUAT mavesatra ?
Ny posture-nao dia tena manan-danja amin’ny fiarovana anao sy ny atleta, ary manampy amin’ny fanaraha-maso ara-teknika marina.
🧍♂️ 1. Toerana sy Fipetrahana Fototra ho an’ny Coach
Mijoro akaiky, nefa tsy manelingelina ny lalan’ny squat. Na ny Atleta
Elanelana toy ny soroka ny tongotrao, mitodika kely ivelany.
Kibo tery (core engaged) sy hazondamosina mahitsy — Aza miondrika rehefa manampy na mijery any ankafa
Valahana ambany kely, toy ny amin’ny toerana “athletic stance”.
Mijery mivantana ny atleta, tsy mitodika amin’ny sisiny.
➡️ Izany dia manampy anao hifandanja tsara sy ho vonona hirotsaka an-tsehatra raha sendra tsy mahavita ilay atleta.