17/05/2025
FANTARO IREO KARAZANA FANOFANANA ATOLOTRO :
-Ny COURS DE THÉÂTRE na ny ÉDUCATION THÉÂTRALE dia fanofanana natao ho an’ireo olona te handresy ny tsy fahatokian-tena (saro-kenatra, manana fahasarotana eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa, te hianatra ireo fahaiza-miaina fototra eo amin’ny fiainana, te hiaina fiainana hafa miavaka kely amin’ny mahazatra, miaina fitebitebena na tahotra…) , sy ny fahatahorana mandray fitenenana eo imasom-bahoaka ary te hifehy ny zavakanto miteny.
Ny COURS EN ART DRAMATIQUE kosa dia ho an’ireo olona te hisehatra na efa misehatra amin’ny filalaovana sarimihetsika, teatira, filatroana sy ireo zavakanto atao sy lalaovina an-tsehatra rehetra. Fanofanana hahatonga ny olona ho matihanina eo amin’ilay sehatra izany.
Ny COACHING DRAMATIQUE indray dia fanofanana ho an’ireo mpandraharaha, mba hahafahan’ireo mpandraharaha mampitombo sy manatsara hatrany ny fahaiza-manaony (diriger, négocier, gérer).
Ny fanofanana rehetra dia mifototra amin’ny tekinika mandrafitra ny teatira avokoa
Aza misalasala mifandray.
« TEATIRA MANAKAIKY NY FIARAHAMONINA. MIHETSIKA FA TSY HETSEHINA »
Coach Lofty
Coach d’art dramatique
+261 34 22 007 88
[email protected]