01/08/2026
BAZAR T**I vs DAVID IHANY
Ady mafy teo amin’ny Mitsubishi Lancer Evo IX R4 an’i Bazar T**i sy ny Subaru Impreza GC8 555 GrpA an’i David Ihany. Samy tsy nanaiky lembenana izy mirahalahy, saingy samy nanana ny fotoana nanjakany!
LEG 1 Bazar T**i no nifehy ny lalao
Tao amin’ny Gran Canaria ROC 2000, Bazar dia nanomboka tamin-kery ka nahazo tombony 4.371s teo anoloan’i David.
Tao Chirdonhead, mbola nanampy 1.032s indray izy, ka niakatra ho 5.403s ny elanelana.
Tao Shepherds Shield vao mainka nampitombo ny tsindry i Bazar: 5.830s no azony tamin’i David, ka lasa 11.233s ny tombony.
Tao amin’ny Sipirkakim II voalohany, tena nanafika mafy i Bazar. Nahazo 11.098s izy ary nampiakatra ny elanelana ho 22.332s.
Tamin’ny fandalovana faharoa tao Sipirkakim II, mbola Bazar ihany no haingana kokoa tamin’ny 7.865s. Efa tafakatra 30.196s ny tombony!
Tao Chirdonhead anefa, nanomboka nampiseho ny valinteniny i David. Nahazo 0.699 izy, famantarana fa mbola tsy tapitra ny ady.
Saingy tamin’ny Gran Canaria ROC 2000 namaranana ny Leg 1, namaly indray i Bazar ka nahazo 2.850s.
➡️ Faran’ny Leg 1
Bazar T**i P6, David Ihany P8, ary 32.347s no nisaraka azy mirahalahy.
Bazar no nanjaka, nilamina ary nahavita nanangana elanelana lehibe. Toa efa teo am-pelatanany tanteraka ny ady… saingy mbola nanana teny farany i David!
---
LEG 2 Fifohazana mahatalanjona nataon’i David Ihany!
Tao Hyppyjulma Gravel II, tonga dia nanafika tsy nisy tahotra i David. Nahazo 13.691s tamin’i Bazar izy, ka nihena ho 18.656s sisa ny elanelana.
Tao Monti di Ala, mbola nanohy ny fanenjehana izy: 9.172s fanampiny, ka 9.484s sisa no nanasaraka azy roa.
Tonga ny fotoana lehibe tao Joux Plane II Gravel. David dia nanao chrono goavana, nahazo 25.232s, ary tsy vitan’ny nanala ny elanelana fotsiny fa naka ny toerana teo anoloan’i Bazar tamin’ny 15.748s!
Tamin’ny fandalovana manaraka tao Joux Plane II Gravel, tsy nampihena hafainganam-pandeha izy. Nahazo*27.524s indray, ka niakatra ho 43.273s ny tombony.
Tao Monti di Ala, nanamafy ny toerany tamin’ny 4.038s fanampiny i David.
Ary tao amin’ny Hyppyjulma Gravel II farany, mbola namely mafy izy ka nahazo 15.708s indray.
Faran’ny Leg 2:
David Ihany , Bazar T**i , ary 1:03.018 no tombony azon’i David tamin’ilay ady manokana.
Avy tamin’ny fahatarana 32.347s, lasa nitarika 1:03.018!
Midika izany fa nahavita fivadihana 1 minitra sy 35.365 segondra i David nandritra ny Leg 2!
Mbola misy special 6 mbola hanenjika ve i Bazar T**i