06/08/2026
🏉1997 … io ny taona nijoroan’ny klioba RCA Andohatanjona. Niaro ny voninahitry ny klioba sy nitondra ny anarany tamim-pireharehana ireo mpilalao t@ zany fotoana!
20 taona mahery aty aoriana dia tafiakatra @ dingana famaranana amin’ny fiadiana ny tompondakan’ny Section Marovatana (1ère division Elite 2).
Manaporofo izany fa mbola velona ny fanahin’ny RCA ary mbola manana hoavy mamirapiratra ny klioba noho ny ezaka nataon’ireo zandrikely sy ny tompon’andraikitra rehetra!
Misaotra ireo mpilalao fahiny izay namela lova sarobidy, ary misaotra ireo mpanohana sy ny fianakaviana RCA rehetra izay mbola mijoro hatrany miaraka amin’ny klioba.
Ny tantara dia mitohy… Any @ dingana famaranana indray mihaona 💙🤍