School Of Wild

School Of Wild Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from School Of Wild, Dance School, Ampandrana, Antananarivo.

School Of Wild est une école de danse urbaine crée en 2011 par le fondateur et Leader du Groupe GB WILD, située à Ampandrana en face d'Extra pizza, avec un large choix de discipline de danse et un feeling non stop !

31/08/2026

‼️ OYEEH OYEEH ‼️

Aza adino ary fa amin'ny sabotsy izao ny porte ouverte, inscription ary ré inscription ho an'ny saison 2026 - 2027 🤝

🤝 Zarao ny vaovao dia andao handihy 😉

Extrait show 🔥🔥🔥



🤝 Vita tandroany ny cours de vacance 🙏 Misaotra antsika izay nanatrika izany 😁 Mino izahay fa nahafinaritra ny fianarana...
29/08/2026

🤝 Vita tandroany ny cours de vacance

🙏 Misaotra antsika izay nanatrika izany 😁 Mino izahay fa nahafinaritra ny fianarana.

✍️ Amin'ny heriny anio dia hanomboka ny taom-pianarana 2026 -2027.

☝️ Koa ho antsika Liana amin'izany dia manome fotoana antsika izahay Ary na eny antsahabe ao amin'ny CNELA na ao Ampandrana tompoko.

Toa izao ny Emploi du temps ny cours rehetra sy ny tarif rehetra saison 2026 - 2027 tompoko 😊🙏 🤝 Raha toa ka mpianatra v...
28/08/2026

Toa izao ny Emploi du temps ny cours rehetra sy ny tarif rehetra saison 2026 - 2027 tompoko 😊🙏

🤝 Raha toa ka mpianatra vaovao dia anao ny safidy hoe AMPANDRANA sa ANTSAHABE no akaiky anao.

☝️ 05 SEPTEMBRE NY RENTRÉ SADY PORTE OUVERTE Ary efa manaraka ilay EMPLOI DU TEMPS io ny cours rehetra amin'io tompoko 🤝


‼️BACK TO SCHOOL ‼️☝️SAISON 2026 - 2027☝️👉 Sabotsy 05 SEPTEMBRE ny PORTE OUVERTE, INSCRIPTION ary RÉ INSCRIPTION.🤝 RAHA ...
26/08/2026

‼️BACK TO SCHOOL ‼️

☝️SAISON 2026 - 2027☝️

👉 Sabotsy 05 SEPTEMBRE ny PORTE OUVERTE, INSCRIPTION ary RÉ INSCRIPTION.

🤝 RAHA TOA KA DIA IZAY METY AMINAO NA AMPANDRANA NA ANTSAHABE RAHA TOA KOSA RÉ INSCRIPTION DIA IZAY EFA NANOMBOHANA IHANY NO HANOHIZANA TOMPOKO🤝

= KIDS x ADOS x JEUNE x ADULTE = Tongava MP raha misy mahaliana antsika ny COURS omenay tompoko 😊 🙏

👇 Ireo amin'ny commentaire ireo ny ny cours rehetra miaraka amin'ny tarif rehetra.


🔥 Hamaranantsika ny fampahafantarana ireo karazana discipline de danse hampianarin'ny Sekoly dia ny HIPHOP New Style 🤝 M...
25/08/2026

🔥 Hamaranantsika ny fampahafantarana ireo karazana discipline de danse hampianarin'ny Sekoly dia ny HIPHOP New Style 🤝
Misy karazana 5 ny discipline de danse HipHop : Break Dance, Pop, Lock, House ary ny zandriny indrindra dia ny New Style na koa hoe New York Style, tany amin'ny taona 90 tany izy io no niforona, Ary io HipHop New Style io no hampianarin'ny sekoly 🤝
Ny mampiavaka azy manokana dia izy handihizana ambony Hira Hip-hop, Rap.
Ary miara-mivoatra miaraka amin'io gadon-kira io ihany koa izy.
Raha toa ianao mpankafihy manokana ireny Gadona ireny tokony tsy hanahirana ny fandraisana azy Raha tia mandihy, satria ny karazan-kira Hip-hop sy Rap Rehetra dia manana ny dihiny daholo anaty Hip-hop 🤝

☝️ Manana ny fitafiny manokana izy, fomba fiteny, ary azo lazaina hoe discipline Maro manao indrindra maneran-tany.

Izy ihany koa dia discipline iray misy fanavaozana foana, Ary ny firenena ireo firenen-dehibe dia samy manana ny code mampiavaka azy hoentin'izy ireo hiavahana amin'ny hafa rehefa anaty fifaninanana na asa famoronana.

Ho an'ny School Of Wild manokana dia izy no Discipline de danse nampianarinay voalohany indrindra dia Taty aoriana vao nitombo tsikely kely ireo discipline nampianarina.
Maro ny sampana ao anatin'ny hip-hop ankoatra ireo discipline fototra, koa raha mahaliana anao ity discipline iray ity dia Manasa anao ho avy amin'ny porte ouverte ny 05 septembre ho avy izao Ary 🤝



☝️ Anio dia ilay discipline be pankafihy indrindra amin'izao no ho tantaraina fohy amintsika 😉 Tsy inona izany fa ny AFR...
24/08/2026

☝️ Anio dia ilay discipline be pankafihy indrindra amin'izao no ho tantaraina fohy amintsika 😉 Tsy inona izany fa ny AFRO

Raha Afro en generale no resahana araka ny tantara, dia efa nisy Afro fona nanomboka tam andro fahiny fa saingy hoe niankina tamin'ny fomba amam-panao sy nentim-paharazana izany hoe culturelle sy spirituelle indrindra indrindra nifampiankina amin’ny resaka traditionnelle isaky ny firenena sy ny foko ny pratique azy.

Nanomboka tany amin’ny XXème siècle dia niova ny forme any, ka lasa expression culturelle et artistique teo amin’ny tontonlo danse contemporaine et urbaine satria nanomboka nentina nizaha faritra isan-karazany sy nisy ilay antsoina hoe partage culturelle ary nivotra ho lasa populaire.

Ankehitriny anefa pratiqué maneran-tany ny Danse Afro ka lasa symbole de culture et communauté Africaine ny danse Afro. Fa tsiahivina anefa fa samy manana ny origine any tsirairay avy ny firenena anakiray ka mbola samy manana ny tantarany ny sous-discipline ny Afro toy ny (Amapiano-Dombolo-Jizz-Pantsula-sns…)

Dia ho an'ny mpampianatra ato amin'ny School Of Wild manokona dia miezaka mizara sy mi découvrir horizon maro anaty ny tontolo Afro fa nefa tsy adino fa ny Pantsula sy ny Afrohouse no azo lazaina no tena fototra ikarohany.

Nanomboka ny saison 2016 - 2017 no nisy ny cours AFRO tato amin'ny sekoly ary anisan'ny discipline misy éveil danse ho an'ny Kids ihany koa izy 😊🙏

🤝 Raha mahaliana anao ity discipline iray dia dia Tongava Ary amin'ny PORTE OUVERTE ny 05 Septembre ho avy izao.



☝️Anio dia Ny Tantara fohy mikasika ny Dancehall indray ny ho zaraina amintsika.Ny Dancehall dia avy any Jamaïque, indri...
22/08/2026

☝️Anio dia Ny Tantara fohy mikasika ny Dancehall indray ny ho zaraina amintsika.

Ny Dancehall dia avy any Jamaïque, indrindra tany amin’ny tontolon’ny Dancehall music nivoatra tany Kingston tamin’ny faramparan’ny taona 1970 sy ny taona 1980. Nivoaka avy amin'ny Reggae, Dub ary Sound System culture izy.
Izy dia kolontsaina misy steps maro samihafa. Ny mpandihy sy ny vondrona no namorona fihetsika vaovao, ary matetika nomena anarana manokana ireo steps.

🇯🇲 1. Tany Jamaïque no niandohany
Tamin'ny taona 1980–1990 dia nihamaro ny sound systems, dance sessions ary fety Dancehall. Tao no nifaninanan'ny mpandihy tamin'ny famoronana fihetsika vaovao.
Ny dihy dia nanana:
fihetsika mifanaraka amin'ny rhythm. fihetsiky ny vatana sy ny valahana
attitude sy expression

🔥 2. Tonga ny “Dancehall steps”
Nisy mpandihy Jamaïcain maro namorona steps lasa malaza. Ohatra: Bogle / Willie Bounce/Wacky Dip/Dutty Wine/Nuh Linga/World Dance/Signal Di Plane/Gully Creepa.
Ireo no nahatonga ny Dancehall ho toy ny fiteny amin'ny vatana.

👑 3. BOGLE no iray amin'ireo lehibe indrindra
Ilay Gerald “Bogle” Levy, fantatra amin'ny anarana hoe Bogle, dia anisan'ireo olona tena nanova ny Dancehall.
Tamin'ny taona 1990 dia nanjary malaza be izy noho ny fomba fandihiny sy ny famoronany steps tony ny " Bogle. Wacky Dip, Willie Bounce sns. Izy no anisan'ireo nampalaza ilay fomba hoe mamorona step vaovao mifandray amin'ny hira sy ny kolontsaina. Bogle dia tsy mpandihy fotsiny fa mpamorona steps. Ny fomba fandihiny dia nanome lanja be,ny groove, ny fihetsiky ny tongotra, ny soroka, ny vatana ary indrindra ny attitude.
Izany no antony iantsoan'ny olona sasany azy hoe “FATHER OF DANCEHALL ”.

🌍 4. Niparitaka eran-tany
Avy any Jamaïque dia niparitaka tany: USA → UK → Europe → Africa → Japan → Caribbean → Madagascar

🇲🇬 5. Ny eto Madagascar?
Eto Madagasikara dia hita indrindra amin'ny:
battle /dance competition /clips sy spectacles/école de danse/ crew.
Ary ankehitriny dia misy Old School, middle school ary New School, ka samy manana ny style sy ny steps tiany.
Ny tena zava-dehibe: dia ahitana musicalité + groove + attitude + steps + créativité sy ny Feeling ( ny fomba ankafizanao ny hira mandeha sy ny fomba itondranao azy)

Ho an'ny School Of Wild manokana dia nanomboka ny taona 2016 tany no nanomboka nampianatra azy io ny sekoly, Ary efa nitondra andrarezina anaky 2 avy any ivelany teto amintsika hizara ny fahaiza-manaony avy.

🙏 Ary anisan'ny discipline afaka hiaran'ny KIDS izy ato aminay 😁

🤝 Koa raha tianao ity discipline iray ity dia aza adino ny Porte ouverte amin'ny 05 septembre Ary 🫡



Androany isika dia ny   indray no ho ampahafantirana fohy fohy 🤝Ny Street Jazz dia tany amin'ny faraparan'ny taona 80 hi...
21/08/2026

Androany isika dia ny indray no ho ampahafantirana fohy fohy 🤝

Ny Street Jazz dia tany amin'ny faraparan'ny taona 80 hiditra 90 no nisy nanomboka tena hoe nanao azy.
Tany Los Angeles, danseuse et chorégraphe JEAN JONHSON, izy no considérena ho mère fondatrice an'io discipline iray io.

Raha ny fototry ilay discipline kosa Dia roa, ny Hip hHop sy ny Modern Jazz. Fa amin'izao efa mivoatra miaraka amin'ny vanim-potoana ny Dihy indrindra ny Dihy an-tanan-dehibe dia nivoatra nanaraka izay ihany koa ity discipline iray ity ka efa maro ny manafangaro azy amin'ny discipline hafa toa ny Afro, ny Dancehall,... Fa ny fototra mijanona ho Street Jazz foana ihany izany hoe :
Technique sy précision JAZZ
Énergie sy attitude URBAINE

☝️ Ho an'ny School Of Wild manokana dia nanomboka ny taona 2015 no nanomboka nampianatra azy ny sekoly.

🤝 Raha mahaliana anao ity discipline de danse iray ity dia amin'ny 05 SEPTEMBRE n'y fotoana ary amin'ny Porte ouverte tompoko 😊



🙏 Androany isika dia hampahafantatra ny tantaran'ny  .Teraka tao amin’ny Bronx, tany New York, tamin’ny taona 1970 ny br...
20/08/2026

🙏 Androany isika dia hampahafantatra ny tantaran'ny .

Teraka tao amin’ny Bronx, tany New York, tamin’ny taona 1970 ny breakdance na ny breaking.

I DJ Kool Herc tamin’izany no nandefa « break » en boucle (ilay partie kely feno vely amponga sy percussion ao anatin’ireo hira funk otran’ireo hiran’i James Brown). Ary ireo olona nandihy tamin’ireo « breaks » ireo no nantsoina hoe b-boys na b-girls. Ilay « b » dia fanafoizana ny hoe « breaker ».

Tamin’izany fotoana izany moa tao amin’ny Bronx dia nafana be koa ny ady teo anivon’ireo « gangs » ary nanjaka ny herisetra. Ny breaking sy ny kolontsaina hip-hop amin’ny ankapobeany dia nitondra fiovana be sy nampilefy tsikelikely izay herisetra izay, satria tany anatin‘ny atao hoe « battle » dia ny dihy no entina miady fa tsy ny totohondry.

Ary satria moa samy te handresy sy te hampitolagaga ny hafa foana ireo mpandihy, dia tsy mandihy mitsangana fotsiny izy ireo fa nanisy mouvement au sol, nampifangaro ny pas de danse an’i James Brown, ny capoeira brezilianina sy ny gymnastique, ary izay no mampiavaka ny breakdance amin’ny dihy hafa.
Teraka teo ireo karazana mouvement mandrafitra ny breakdance : toprock, footwork, freezes ary ny powermoves.

Tamin’ny faraparan’ny taona 1970 dia niforona ireo groupes voalohany niangaly azy : Rock Steady Crew, Dynamic Rockers, New York City Breakers.

Ireo sarimihetsika toy ny Beat Street sy Flashdance no nanampy nampiely ny breakdance tany ivelan’i USA nandritra ny taona 1980. Nanomboka tany Europe, Japon, Corée du Sud, dia niparitaka maneran-tany.

Tamin’ny 2024, dia tafiditra tao anatin’ireo sports olympiques ny breaking tamin’ny Jeux Olympiques tao Paris.

☝️ Ho an'ny SCHOOL OF WILD manokana dia saison faha 4 amin'ity izao ny sekoly no mampianatra ity discipline iray ity 🔥

🙏 Ary izahay anisan'ireo vitsy anisa amin'ireo école de danse eto Antananarivo mampianatra azy io 😊

🤝 Raha Liana amin'ity discipline ity isika ary dia Manasa antsika sahady izahay ho avy amin'ny porte ouverte izay ho atao ny 05 SEPTEMBRE ho avy izao 🤝



📢 OYEEH OYEEH !! 📢‼️NY RENTRÉ SADY PORTE OUVERTE NO FANAOVANA INSCRIPTION sy RÉ INSCRIPTION dia   ho an'ny mpianatra Sab...
18/08/2026

📢 OYEEH OYEEH !! 📢

‼️NY RENTRÉ SADY PORTE OUVERTE NO FANAOVANA INSCRIPTION sy RÉ INSCRIPTION dia ho an'ny mpianatra Sabotsy Ary ho an'ny mpianatra Larobia

============================================

✔️HO AN'NY kosa Dia mitohy ny cours de vacance izao ary HISY PORTE OUVERTE IHANY KOA NY 05 SEPTEMBRE io hifampizarana amintsika ray aman-dreny ny programme annuel tompoko 😁🙏

🤝 Hivoaka miandalana eo emploie du temps rehetra

🫡 Zarao ny vaovao dia mandra-pihaona sahady ary!



Address

Ampandrana
Antananarivo

Telephone

+261331713651

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when School Of Wild posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to School Of Wild:

Shortcuts

Share

Category