25/01/2025
Hanomboka indray ny hazakazaka 2025, Dia manasa antsika rehetra.
Salama daholo eeeee !
Raikitra àry ity ity.
Atombontsika amin'ny fomba ofisialy ao amin'ny FLM Toby Fanantenana 67Ha izany ny SABOTSY 01 FEBROARY 2025 ho avy izao manomboka amin'ny 2ora sy sasany tolakandro.
SANTATRA FIDERANA 2025 no iantsoanay azy io.
Izahay ihany no mikarakara ary nataonay karazana cadeau "bonané" ho antsika mianakavy ka TSY MISY NY VIDIM-PIDIRANA. Izahay no nisafidy ny toerana mba ho centre mety amin'ny besinimaro, ary isaoranay manokana ny FLM Toby Fanantenana 67Ha nanaiky nampiantrano 🙏🏻.
Na izany aza nefa dia misy ihany ny fandaniana ka hisy ny valopy izay ho zarainay eo am-pidirana hanoloranao izay foinao anohanana ny asan'Andriamanitra.
Tongava daholo àry fa efa tsy andrinay ny hiara-hidera indray aminareo e!
Dia tongava aloha fa raha izay elaela tsy nihaonana izay dia mety ho maromaro kely isika amin'io fotoana io an ! 😁
*Zarazarao dia antsointsoy anaty commentaire ny fianakaviana sy namana mpankafy rehetra eeee !
Tahian'i Jesosy daholo o !