18/04/2025
🔴Amin'ny fotoana toy ny ahoana no mila manao dégraissage ( izany hoe mandrodana vatana mihitsy no tanjona fa tsy maka muscle)
🔴 Amin'ny fotoana manahoana no sady maka muscle no manena vatana!?
🙋🏽♂️Salama daholo ry mpanaraka kely eo amin'ny dimam-polo eo 😌
✳️Tsotra ny valiny sady tsy be tatasiaka.
Raha toa ka ambony loatra ny tavy ao amin'ny vatana kanefa mbola lavitra be ilay forme tiana ho tratrarina ( izany hoe ao anaty catégorie obèse ianao) dia tsara kokoa raha manao dégraissage aloha,
👉🏽 izany hoe mifantoka bebe kokoa amin'ny fampidinana lanja ny méthode arahina fa tsy mbola miditra amin'ny renforcement musculaire, na hoe famoronana muscle.
💪🏽Atao io mba ahafahana manamafy kokoa ny perte de poids, ahitana résultats haingana kokoa ilàna amin'ilay lasa mi- stagne aloha loatra ( satria hisy fotoana ianao tsy maintsy hi-stagne)
🥴Rehefa hita fa nilatsaka ambany ilay graisse ka manakaikikaiky an'ilay forme final tadiavina dia mifantoka amin'ny famoronana muscle amin'izay.
Fa tsy hoe tohizana ka hatrany amin'ny vody fisaka akory 🥴 tandremo
Ny mahasamihafa an'ireo dia eo amin'ny lafiny sakafo sy kotrana.
Any anaty dégraissage ianao tsy mila hoe mampiditra protéines betsaka, tsy voatery hanao musculation be...ny tanjona dia hoe ho en déficit Calorique farak'izay zokiny( kanefa tsy mahafaty🥴)
Fa raha manena vatana efa mitady forme ianao dia tsy maintsy manao musculation, ary mila maharaka apport en protéines, kanefa sady mila en déficit Calorique ihany koa😁
Tsy haiko raha mazavazava ratsy😁
Fanampiny: raha toa ka hoe bebe kibo sy misimisy tavy kely tsy mbola tafiditra anaty catégorie obèse ianao dia tsara raha tonga dia mifantoka amin'ny musculation 💁🏽♂️ ilay méthode vita dégraissage io izany no arahinao😉
Peace ✌🏽😌