11/05/2023
"i Kelimisaina"
Indray andro hono, tratra niaraka tamin'i zanaka vavin'i Mpanjaka i Kelimisaina ka niteny ny Mpanjaka: raha toa ka tsy vitan'ialahy ao anatin'ny 1 andro ny miasa ireo tanimbariko ireo izay hoketsaina rahampitso dia hotapahina ny lohan'ialahy, eka hoy izy.
Tena marobe anefa ireo tanimbary ireo.
Ny ampitsonio dia tonga teny amin'ilay tanimbary i Kelimisaina, hitany fa misy dobo lehibe feno rano ery antampon'ireo tanimbary marobe ireo ka nataony izay hidinan'ny rano tamin'ireo tanimbary ary nolotoany tanteraka toy ireny feno fotaka be ireny ny rano, rehefa vita izay dia jerena toy ireny efa vita asa tsara ireny tokoa ireo tanimbary maina be ireo🤭
Vita ilay nampanaovinao ahy hoy izy tamin' ny Mpanjaka. Tsy nino ilay Mpanjaka fa nandeha nijery ary dia nahita fa tena vita tokoa ilay asa, ka naniraka ireo vehivavy mba hanao ilay ketsa (hagnetsa)😀
Tonga teo amin'ny tanimbary ireo vehivavy vao nahita fa tsy vita akory ny asa fa tanimbary mahery sady tsy vita asa akory no teo ka nitaraina tany amin'i Mpanjaka avy hantrany.
Eo noho eo dia nampiantsoina ary nosamborina i Kelimisaina ka natao ny fitsarana azy, tsy mila resa-be aho, hoy n Mpanjaka fa tapaho avy hatrany ny lohany, nitomany anefa izy sad nangataka mafy ny mba hahahfahany manazava, mba nanaiky ihany anefa ilay Mpanjaka ny farany, alefaso ary hoy izy ny fanazavan'ialahy: ambarako aminareo etoana fa tiako tokoa ilay zanaka vavin'i Mpanjaka, tratra niaraka taminy anefa aho ary (..blabla..) ka raha tsy vitako ao anatin 1 andro hono dia tapahina ny lohako, mba rariny ve izany?, dia nimenomenona ireo fokon'olo fa toa tsy rariny marina izay, nanampy ihany koa razazavavy fa tena mifankatia tokoa izy ireo ary tsisy atakalony azy.
Teo dia najanona ilay fanapahan-doha, ary hoy ilay Mpanjaka: raha vitan'ialahy ny mametsifetsy ahy fanindroani izay vao avelako hanambady ny zanako ialahy, raikitra izany hoy izy🤤
Tonga ny alina, niditra tao amin'ny trano fatorian'i Mpanjaka antsokosoko i Kelimisaina miaraka amin'ny torche mazava be sady tena miparitaka ny hazavany ka niteny izy: anaka, Andriamanitra ity manoloana anao ity, haiko fa Mpanjaka mendrika handova ny lanitra tokoa hianao ka vonona ve hiaraka amiko izao de izao, faly be ingah rainy (olo taitsa tamin'ny torimaso moa zany)😅 ary dia nanaiky ny hiaraka aminy, midira ary hoy izy ato anatin'ity gony be ity, dia niditra tokoa izy ary dia nafatotr'i Kelimisaina tao, avieo nahantony tamina hazo iray, taorian'izay dia nosontominy miakatra ilay gony misy ilay Mpanjaka sady niteny izy hoe: alefaaa..miakatra any andanitraaa, alefaaa..miakatra any andanitraaa 😅
Tonga ny maraina dia niantso fokon'olo i Kelimisaina ka niteny hoe io anaty gony io ny porofo fa vitako ilay fanamby ka avelao aho hanambady ampilaminana ilay olotiako.
Tapina ny vavan'ilay Mpanjaka ka tsy hitany intsony izay holazainy fa nataony ny raharahan'izy roa kely🫂
Angano Angano, Arira Arira!
Abonneo ny page❤️
Röjo✍️