24/11/2025
ULTRA 130KM, vita soa, tantara lava be mendrika tantaraina 🙂 sady sambany mba nanao izany ka ialana tsiny 🙏
Erintaona izay no nanaovako trail, ny zandriko vavy dia 9 volana, 12km 15km teo foana fataonay
Volana février nanandrana nanao andranovelona 37km dia toa ohatrany nahafinaritra kokoa noho le 15km, dia aveo notohizana 55km
Ka Noho ny fitiavana sy ny faniriana andeha lavitra kokoa amin'ity taranja ity dia tapaka ny hevitra tamin'ny volana juin fa hanandrana 45km TDS sy ULTRA tour 127km utcs
sahady izahay ka isaorana ny Tompo fa vita soamantsara🙏🙏
Ny zandriko vavy aza moa dia 3ème senior sahady tamin'izy 2 ireo
Misaotra ihany koa anareo izay nanome courage sy nahatoky, indrindra fa ireo izay niantso foana na avant na pendant ary après ny course fa ni-touché be ana ireny ary tena nanome confiance en soi be 🙏🤙🤙
Misaotra manokana ihany koa an'i vadiko izay manatitra sy maka anay na aiza na aiza amin'ity trail ity 🙏🙏❤️❤️
Manaraka izay, mampirisika anareo foana aho ( na ireo traileur izay tsy sahy manao longue distance na ireo olona tsotra tsy sahy manao trail na 10km aza ) hoe ny trail no sport tsotra ary accessible ho an'olona indrindra, mivoaka ny trano dia lasa mihazakazaka, tsy mila oe mafy be izany vao afaka manao, atomboka 2km, 5km sns, nefa vokatsoa tena tsy voatanisa, izaho manokana dia niova tanteraka ny fiainako tao anatin'ny erintaona, isakin'ny trail IRAY aho dia manoratra tantara sy fiovana ho tsara kokoa hatrany, na fahasalamana na vatana na mental na inona na inona
Ny ULTRA indray dia tena mahasahy miteny aho fa vitan'ny olona rehetra fa tsy hoe mafy be akory izahay matoa nanandrana fa tena izahay aza no tena hoe DÉBUTANT, fa kosa mba mila mikotrana kely 3 fois par semaine ohatra, dia asina SIRA sy SIRAMAMY tsara fotsiny ny rano dia vita fa tsy mila ankotran'izay fa na CHATGPT aza miteny an'izay foana
Quelques jours avant ny départ aho nilaza ny namako hoe misy problème nutriments ( magnésium calcium fer sns ) zahay ( héréditaire) ka fanina be rehefa manao effort, nefa tsy nahavita nihinana compléments tato ato ka aza gaga raha sanatria maty any 😅🤣 sady efa nanomboka talata no tsy dia natory fa be doute be 😪
Atomboka ny tantara, asiko détails maro mba hiainan'olona rehetra na tsy traileur aza ny sensation unique azo amin'ny trail:
1er jour 48,5km, vaknisisaony
Départ le carat ambatofotsy 4h30, arrivée ankadimanga rn2 12h
Nitaitaina hoe ho fanina, ho torana, hazaka ve ny fo sy muscle amin'izany carence izany sa aona
vao teo amin'ny 5km dia efa fanina be tsy misy équilibre, nigoga rano sy sira dia cava2 kely dia lasa, lasa foana, nanomboka nahazo fafiny, mijery ny paysage, rano, rivotra mitsoka milay be ohatran'ny oxygène izany, nandeha mafy ho azy, gaga ihany oe efa nahavita 15km
Nanomboka nisy narary indray ny loha tany amin'ny 30km, fa izay no maha extraordinaire an'ny trail, afaka ho azy izany rehefa mandeha elaela
Dia Somary niverina kely koa ny fanina sy arerahana be teny ampovony fa misakafo sy mihinana sira, mihaino ny nature, dia VELONA indray
Fa ny tena nanampy ihany koa dia ireto hazo ireto, raha tsy nisy an'ireo tena mety rodana kokoa, za anefa taloha ny sous estimé an'ireny, fa TENA ilaina ry zareo ilay baton aaaaa 😪
Betsaka no nitady hazo aveo nanao toa ahy 😄
Tonga ankadimanga, tsy afaka nanofa tente fa soa ihany fa nisy namana nampindrana tente dia napidirina tao amin'ny fianarana fa nataotra orana, fa narary kely ihany rehefa mitodika amin'ilay ciment anh 😃 adin 3h monja torimaso
2ème jour 48,5km AVARADRANO
Départ ankadimanga 4h30, arrivée ambohimanga rova 12h30
Naneno ilay réveil mage 4 maratra ambopo tamin'ny 3h maraina, fa tena oe kivy, mbola hanao an'izao koa ve rahampitso, tsy vita ity
Fa namboarina ny saina, nisintona koa ny Tompo, dia lasa ihany
Vao niakatra ny Angavokely dia nitady hazo indray, vao nisy hazo tonga dia afaka tsara foana
Imagineo maheno feon'ny voronkely anaty ala amin'ny 5 maraina, fahasambarana, paradisa kely, eny hafalina tsy omby tratra fa dia adino ny havizanana
15km nanomboka ny ampoule, nanapakevitra ny hamerina ilay bas 1er jour fa ohatran'ny tsy nety ilay nanaovana 2eme jour, dia afakafaka kely aveo
Dia même refrain aveo, fanina sy reraka trop eny ampovony, vao handalo fiakarana dia efa mitady hazo indrindra fa hiakatra Ambohitrabiby, teo nanao massage kely dia velobelona
2km avant arrivée tena ohatrany nisy pouvoir izany ka afaka nandeha mafy be ka lasa nahatratra namana maro
3ème jour farany 33,7km Marovatana
Départ ambohimanga rova 4h30 arrivée AMBOHITSIMELOKA alakamisy rn4 10h
Tsy heno intsony ny mage 4 fa dia notohizana ny torimaso, somary tara, fanina sy reraka eo am Départ, ny ampoule ohatran'ny trano, fa nanome astuce ny chatgpt dia afaka nandeha ihany, fa nandeha tongotra aloha teo am ilay goudron ambohimanga sady nitady bararata iakarana rakoto maditra
Tampoka teo lasa nikoaka kely indray, fa izay ilay magie an'ny trail, afaka ho azy aveo
Tsy mila mandeha dokotera, tsy mila hoe manao azy quelques jour sy régulier vao salama sy mahatsapa vokany ohatran'ny sport hafa, fa ny trail dia eo no eo dia henonao miala ny aretinao sns
Dia même refrain 2ème jour, nisy partie tena fanina be sy tsy afaka nandeha. Nipetraka sy nijanona mitsy aza dia nanao massage, nanampy sira hatrany dia velona indray
2km avant arrivée nisy pouvoir indray, tratra daholo ihany ny namana
😭 nisy émotion kely ihany tany ampovony tany, 2ème sy 3ème jour 🙂
Teo arrivée indray no ohatran'ny tsy taitra akory
PS: misaotra manokana an'i Alvine izay nanome ravito an'ny zandriko teny andalana satria tsy inscrite 2ème jour sy 3ème jour izy fa novitainy foana ihany anefa ilay 130km
Fehiny, tsy nilaina akory ilay nitaitaina fa ay vita tsara leiz kkkk, atao tsara fotsiny sakafo dia ny SIRA tena important be amin'ilay perte ana sodium, rehefa régulier tsara fotsiny ireo dia tonga foana fa tsy dia nisy hoe tena mampijaly be, ny tenako fotsiny no nisy carence sy tsy en forme no nahatonga fanina sy ampoule sns, raha ampy calcium, magnésium sns tsara aza ianareo dia vitanareo tsara tsy misy olana ny ULTRA 😊
Fa eny, misy douleur kely hafahafa tsy mahazatra ny fe sy ny oditra amin'izao, tsy courbature, fa mety noho ilay carence
Fa ny mental tena niova be, tena fière, lasa mahatoky tena, nisy zavatra niala tao anaty tao dia nosoloina vaovao...
Koa andao ary....