25/07/2026
Andriamatoa sy Andriambavilanitra hajaina, ry mpankafy, ry mpanohana, mpiara-miombon’antoka, ary ny fianakaviambe FC Rouge.
Amin’ny anaran’ny Club FC Rouge dia maneho fankasitrahana sy fisaorana feno izahay noho ny fanohanana tsy nitsahatra nasehonareo, izay nahafahan’ny ekipantsika nibata ny Amboaran’ny YAS Coupe de Madagascar 2026.
Tsy mora ny lalana nodiavina, saingy noho ny firaisankina, ny fahatokisana, ny vavaka ary ny fanohanana avy aminareo rehetra no nahatonga izao fandresena lehibe izao. Ity amboara ity dia tsy an’ny mpilalao sy ny mpanazatra ihany, fa an’ny mpanohana rehetra izay nijoro nanohana ny FC Rouge tamin’ny fotoan-tsarotra sy tamin’ny fotoam-pifaliana.
Fisaorana manokana no atolotray ho an’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpanohana rehetra, ireo tompon’andraikitra ao amin’ny klioba, ny staff technique, ny mpilalao, ireo mpilatsaka an-tsitrapo, ary indrindra ianareo mpankafy izay nameno ny kianja sy nanome hery anay hatramin’ny farany. Ny fanohananareo no nanosika anay hihoatra ny fetra sy hanoratra tantara vaovao ho an’ny FC Rouge.
Manome toky izahay fa tsy hijanona amin’izao fahombiazana izao, fa mbola hanohy hiasa amim-pahavononana sy amim-panetren-tena hitondra voninahitra bebe kokoa ho an’ny klioba sy ho an’ny baolina kitra Malagasy.
Farany, misaotra an’Andriamanitra tamin’ny fitahiany sy ny fiarovany nandritra ny fifaninanana manontolo.
Mankasitraka indrindra anareo rehetra.
FC ROUGE – “NY ADY TSY MIOVA!” 🏆❤️