Fédération Malagasy de Handball

Fédération Malagasy de Handball Page officielle de la Fédération Malagasy de Handball - FMHB

SÉANCE DE TRAVAIL Ampahafantarina ireo rehetra voakasika fa hisy ny fivoriana fandaminana izay hotanterahina :📅 Alahady ...
29/08/2026

SÉANCE DE TRAVAIL

Ampahafantarina ireo rehetra voakasika fa hisy ny fivoriana fandaminana izay hotanterahina :

📅 Alahady 30 Aogositra 2026
🕓 Amin’ny 3 ora hariva folakandro
📍 Laura Hôtel– Ampefiloha

ZAVATRA ILAINA

Samy entina amin’io fotoana io :

* 📄 Lisitry ny mpilalao
* 🪪 Licence
* Fanamiana roa (02 jeux de maillots)

⚠️ ZAVA-DEHIBE : Tsy maintsy manatrika avokoa ny rehetra.( solotena iray na roa avy)

Mangataka ny tsirairay mba hanaja ny ora sy ny toerana voalaza etsy ambony.

🇲🇬🤾‍♂️🤾‍♀️ J-5 — 5 ANDRO sisa alohan’ny CHAMPIONNAT NATIONAL SENIORS 2026 ! 🔥🏆⏳ Efa manakaiky ny fotoana! 5 andro sisa d...
26/08/2026

🇲🇬🤾‍♂️🤾‍♀️ J-5 — 5 ANDRO sisa alohan’ny CHAMPIONNAT NATIONAL SENIORS 2026 ! 🔥🏆

⏳ Efa manakaiky ny fotoana! 5 andro sisa dia hihaona ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ireo klioba sy mpilalao handray anjara amin’ny Tompondaka Nasionaly Seniors 2026 – Vehivavy & Lehilahy.

📍 Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina – Antananarivo
📅 31 Aogositra – 09 Septambra 2026

🔥 Fihaonana lehibe, fifaninanana avo lenta ary fotoana iray hanandratana bebe kokoa ny Handball Malagasy! 🇲🇬

🏆 MPANOHANA OFISIALY

💙💛 YAS MADAGASCAR

🙏 Mankasitraka sy misaotra indrindra ireo Mpanohana sy Mpiara-miombon’antoka rehetra izay manohana hatrany ny Federasiona Malagasy ny Handball sy ny fampandrosoana ny taranja :

👉 Ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, mpanohana stratejika ny Fanatanjahantena Malagasy.

👉 Ny Komity Olaimpika Malagasy, izay manohana hatrany ny Federasiona sy ny taranja Handball.

👉 TAFITA

👉 Ny Zandarimariam-pirenena, ny Tafika Malagasy ary ny Polisim-pirenena

👉 Ny Préfecture d’Antananarivo

👉 Ny Orinasa FILS AUTOMOTO

👉 Radio RDJ 96.6, Atoa Filoha Tale Jeneraliny ary ny ekipa rehetra.

👉 Ny Orinasa LAX PROD

👉 Ny Orinasa ILO NY AIKO TRAVEL

👉 Ianareo olon-tsotra malala-tanana, izay manohana hatrany ny Handball Malagasy.

👉 Ny mpikambana rehetra ato amin’ny Federasiona Malagasy ny Handball (FMHB).

🇲🇬 Miara-mandroso, miara-manandratra ny Handball Malagasy !

🔥 J-5… Efa akaiky ny fotoana !

🏆 CHAMPIONNAT NATIONAL SENIORS 2026
🤾‍♀️ VEHIVAVY & LEHILAHY
📍 Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina – Antananarivo

Yas Madagascar
Ministère de la Jeunesse et des Sports
Comité Olympique Malgache




FISAORANA SY FANKASITRAHANA HOAN’I TOMPOKOLAHY.🕊️ RAJAONARISOA HonoréNy Federasiona Malagasy de Handball dia maneho amin...
16/08/2026

FISAORANA SY FANKASITRAHANA HOAN’I TOMPOKOLAHY.

🕊️ RAJAONARISOA Honoré

Ny Federasiona Malagasy de Handball dia maneho amin’ny alahelo lehibe ny fahafatesan-Andriamatoa RAJAONARISOA Honoré, izay nodimandry teo amin’ny faha-62 taonany, taorian’ny aretina naharitra.

Olona nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny Handball Malagasy izy, indrindra amin’ny maha mpilalao sy mpanazatra, ary anisan’ireo mpanorina ny Handball tao amin’ny Collège Saint Joseph Mahamasina.

Nandritra ny 30 taona dia niasa tamim-pahavitrihana ho mpitsara, nahatratra ny ambaratonga National ary mpitsara tao amin’ny Ranomasimbe Indianina (CCOI). Teo anivon’ny Federasiona ihany koa izy no Filohan’ny Mpitsara sy Mpampiofana Mpitsara, nandritra ny taona 2014–2021, ka nandray anjara lehibe tamin’ny fampitana fahalalana sy ny fanofanana ireo mpitsara tanora.
Filohan’ny CCA : Taorian’ny nahavitany ny asany teo amin’ny kianja, dia voatendry ho Filohan’ny Commission Centrale des Arbitres (CCA) eo anivon’ny Federasiona Malagasy de Handball izy.

Ho fahatsiarovana azy, ny Federasiona Malagasy de Handball dia mankasitraka sy manome voninahitra ny asa sy ny ezaka rehetra nentiny ho fampandrosoana ny Handball Malagasy.

🕯️ Maneho ny fiaraha-miory lalina amin’ny fianakaviany, ny havany ary ireo rehetra niara-dia taminy teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ny Federasiona Malagasy de Handball.

Ho tsaroana mandrakariva ny anjara biriky navelany teo amin’ny Handball Malagasy.

🤍 Mandria am-piadanana, Andriamatoa RAJAONARISOA Honoré.

« Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana. »

FANAMARIHANA:
📍 Ny razana dia ao amin’ny trano fonenany ao Ambohidrazana, Alakamisy Fenoarivo.
📅 Ny Alatsinainy 17 Aogositra no hanatanterahana ny fandevenana, aorian’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny FJKM Mangatany Arivonimamo.
🕐 Ny fiaingana amin’ny famindrana ny razana dia amin’ny 13 ora.
⚰️ Halevina ao amin’ny fasan-drazana ao Mangatany Arivonimamo izy.

🕊️🇲🇬 Mandria am-piadanana.

Salama daholo! Samia mamaky sy mandinika. Vao omaly alina ity vao tonga tao amin'ny mailaka ny Federasiona koa ampitaina...
15/08/2026

Salama daholo!
Samia mamaky sy mandinika.
Vao omaly alina ity vao tonga tao amin'ny mailaka ny Federasiona koa ampitaina eto.
Noho izany ho anareo izay liana aminy fitondrana ekipa dia manantona ny Ligim-paritra misy anareo fa ampitaina any ireo karazana fiofanana rehetra miaraka aminy andinindiny rehetra.
Misaotra mialoha

Modification du Calendrier du Championnat National Seniors Dames et Hommes 2026La Fédération malagasy de handball confir...
12/08/2026

Modification du Calendrier du Championnat National Seniors Dames et Hommes 2026

La Fédération malagasy de handball confirme par la présente, de la tenue du championnat
national dans les catégories Seniors Dames et Hommes pour cette saison sportive 2026 à
Antananarivo.

05/08/2026

Shout out to my newest followers! Excited to have you onboard! Karther Mpouma, Nancy Ralaivao, Christophe Julien, Elisa Rajaonarisoa, Fanja Lalao

🇲🇬 LE TIRAGE EST CONNU ! NOS DEUX SÉLECTIONS NATIONALES FIXÉES SUR LEUR DESTIN AFRICAIN. 🤾🏾💚Le tirage au sort du Champio...
04/08/2026

🇲🇬 LE TIRAGE EST CONNU ! NOS DEUX SÉLECTIONS NATIONALES FIXÉES SUR LEUR DESTIN AFRICAIN. 🤾🏾💚

Le tirage au sort du Championnat d’Afrique des Nations 2026, qui se déroulera à Abidjan (Côte d’Ivoire), a livré son verdict.

🏆 Juniors Masculins – Groupe B

🇩🇿 Algérie
🇦🇴 Angola
🇳🇬 Nigeria
🇲🇬 Madagascar

🏆 Cadets Masculins – Groupe B

🇹🇳 Tunisie
🇩🇿 Algérie
🇳🇬 Nigeria
🇲🇬 Madagascar

Deux groupes relevés, deux défis de taille, mais une même ambition : porter haut les couleurs de Madagascar sur la scène continentale. 🇲🇬🔥

À nos jeunes Akio, nous adressons tous nos encouragements. Que cette compétition soit l’occasion de démontrer leur talent, leur détermination et leur esprit de combat.

Ensemble derrière nos Cadets et nos Juniors ! 💚❤️🤍
Alefa Madagascar ! 🇲🇬
Ministère de la Jeunesse et des Sports
Yas Madagascar
Confédération Africaine de Handball
International Handball Federation

nindramina ny fanehoana
04/08/2026

nindramina ny fanehoana

NINDRAMINA NY FANEHOANA
02/08/2026

NINDRAMINA NY FANEHOANA

𝗥𝗲́𝗽𝗮𝗿𝘁𝗶𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱𝗲𝘀 𝗲́𝗾𝘂𝗶𝗽𝗲𝘀 𝗽𝗮𝗿 𝗽𝗼𝘁𝘀 – 𝗧𝗶𝗿𝗮𝗴𝗲 𝗮𝘂 𝘀𝗼𝗿𝘁 𝗱𝘂 𝟯𝟯ᵉ 𝗖𝗵𝗮𝗺𝗽𝗶𝗼𝗻𝗻𝗮𝘁 𝗱’𝗔𝗳𝗿𝗶𝗾𝘂𝗲 𝗱𝗲𝘀 𝗡𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻𝘀 𝗝𝘂𝗻𝗶𝗼𝗿𝘀 𝗠𝗮𝘀𝗰𝘂𝗹𝗶𝗻𝘀, 𝗔𝗯𝗶𝗱𝗷𝗮𝗻 𝟮𝟬𝟮𝟲

🔶 Pot 1
* 🇪🇬 Égypte
* 🇹🇳 Tunisie
* 🇩🇿 Algérie
* 🇬🇳 Guinée

🔶 Pot 2
* 🇦🇴 Angola
* 🇨🇮 Côte d’Ivoire
* 🇱🇾 Libye
* 🇨🇲 Cameroun

🔶 Pot 3
* 🇨🇩 République Démocratique du Congo
* 🇳🇬 Nigeria
* 🇧🇯 Bénin
* 🇷🇼 Rwanda

🔶 Pot 4
* 🇨🇬 Congo
* 🇲🇬 Madagascar
* 🇿🇼 Zimbabwe

Date de la compétition : 05 au 12 septembre 2026

📅 Le tirage au sort officiel, prévu le 04 août 2026 prochain révélera bientôt la composition des groupes et les premières affiches de cette 33ᵉ édition du Championnat d’Afrique des Nations Juniors Masculins.




24/07/2026

Ny Filohany Federasiona Malagasy ny taranja Handball mivahiny aminy Radio Soa Talily Toliara amina'izao Ora izao

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261341186656

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fédération Malagasy de Handball posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Fédération Malagasy de Handball:

Shortcuts

Share

Category