04/10/2021
"FANTATRAO VE"
NY FANOMEZAM-PAHASOAVAN’NY FANAHY MASINA (Fizarana 5 farany))
AHOANA NO ANAVAHANA NY TENA MPAMINANY AMIN’NY MPAMINANY SANDOKA?
Ahoana no ahafantarana ny mpaminany sandoka?
Valiny: “Ary raha hoy Hianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain’I Jehovah? Raha miteny amin’ny anaran’I Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain’I Jehovah izany: tamin’ny fahasahisahiana no nilazan’ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy” Deo 18:21,22
Raha manoloana mpaminany sandoka izay mahay manao fahagagana isika, ka afaka hamitaka ny mpino amin’ny alalan’izany, dia inona no fomba mety izahana toetra azy?
Valiny: Deo 13:1-5
Tsara ho fantatra: “Arahim-pahagagana mandrakariva ny hafatra entin’ny mpaminany mba hanamarinana fa avy amin’Andriamanitra tokoa ny teny izay nolazainy toa izay nataon’I mosesy (Eks 4:30,31), Elia (1Mpanj 18:36-39), Isaia (Isa 7:14) sns. Toy izany koa ny fahagagana nataon’I Jesosy (Mat 9:6,7; Jao 10:37,38). Kanefa ireo mpaminany sandoka dia mahay manao famantarana sasantsasany toa ireo ombiasin’I farao (Eks 7:11; Mat 24:24; Asa 8:11; 2Tes 2:9; Apok 13:13). Noho izany no tokony hitandremana amin’ireny karazana fihetsiketsehana ireny sy ny tokony handinihana ny hafatra voalazan’ny faminaniana izay hany fomba azo antoka anavahana azy” Traduction oecuménique de la Bible, Ancien testament, Paris 1975, note sur Deo 13:1-4, p.361,362
Inona koa no famantarana hafa nomen’I Jesosy mba hahazoantsika manavaka ny tena mpaminany sy ny mpaminany sandoka?
Valiny: “Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy” Mat 7:20
FAMPORISIHANA SY TENY FIKASANA
Araka ny fanambaran’I Paoly dia manao ahoana no tokony ho fihetsiky ny kristiana eo anatrehan’ny faminaniana?
Valiny: “Aza manao tsinontsinona ny faminaniana. Fantaro ny zavatra rehetra; hazony mafy izay tsara” 1Tes 5:20,21
Inona no toky omena ireo izay miankina amin’ny mpaminan’Andriamanitra?
Valiny: “Minoa an’I Jehovah Andriamanitra, dia ho tafatoetra hianao; minoa ny mpaminany, dia hambinina hianao” 2Tan 20:20