28/08/2026
👉Tsy zah irery no mahavita ilay hoe 3 mois fa efa betsaka ireo ankizy notezaina mahatafavoka izany , mba vakio anie ity e !
👉Matetika aho rehefa mampikotrana dia miteny hoe miezaha mianatra ianareo fa zah tsy ho hitanareo eo foana zany , izay efa nampikotraniko mahay anio !
Ity Olona ity no anisany nanamarika ny salle Lios fit Gym , mbola nanao fanamborana ny tanana izahay tamin’izany saingy ny vavahahady efa nasianay sarisary mikotrana . Sasatra i lery tonga miaraka amin’ny Bicyclette (2020 ) manontany hoe : Mba roviagna ma salle ty vao mandray olona ? 🥱
Dia afaka 3 andro indray izy miverina misolo Bicyclette hafa indray , efa vita ma raha ty mba ela e ? Dia 🙄io poziko mijery azy !!
Farany vita ihany , tena anisany olona nanana discipline izy , tsy aiko na 47kg izy depart tamin’izany ,ny antony itenenako ilay ery ambony dia ny mba hahaizanareo mitondra ny tenanareo , mba mahaleo tena amin’ny zavatra atao fa izay lazaiko izay zah betsaka ny zavatra ataoko tsy ho eo foana zany aho fa mianatra tsara dia mahay avy eo !
👉Manaova hoy aho prise de Masse tsara , zah hoy izy Coach mba te hanana Abdo , dia noteneniko foana tamin’ny zareo ataovy tsara aloha ny safidy ampitombo vatana sa hanana abdos fa zavatra tsy miaraka ireo , ny iray surplus calorie ny iray deficit calorie , dia manao mimonomonona eo zareo hoe mmmmm tsy mba hanana abdo mintsy zany raha ty tsy mety vita ny mitombo ze efa navy eo tiagna iampy fô🤧🙈
👉Hisaorako izy ary deraiko manokana satria mbola ilay sary 1 io no niala taty Tana nifindra any amin’ny faritra , miantso sy mandefa mp tsindraindray eo fotsiny izy rehefa tena misy tsy tafavokany dia mamaly aho fa en general ny 80% ny zavatra natao dia ny base nomena no mitondra azy , satria ilay sèche zavatra mbola tsy nataony dia ilay 20% zany no nampiko kely 🙏🏿💪🔥🔥
👉Faly rehefa mahita ankizy mivoatra sy mahatratra ny tanjony fa indrindra koa ny mentalité azonao nandritra io periode sèche mafy be io dia hitondra anao ho mafimafy kokoa amin’ny zavatra rehetra atanao tsy ny kotrana ihany fa ny fiainana manontolo mintsy !!
Maro be ianareo no efa nahavita zavatra milay be , mitsodrano foana Coach raha misy ilaina dia eo foana aho , mety occupé indraindray fa mamaly arakaraka ny fotoana eo foana 🙏🏿🙏🏿 alefaaa🔥🔥🔥🔥
Coach Lioscar Rollando
Bouti-shape