Gasy-Kitra

Gasy-Kitra Gasy-Kitra 🇲🇬⚽

Mizara vaovao sy miresaka mahakasika ny baolina Kitra Ranoray💯

Nandresy ny tolona ho an'ny vahoaka Malagasy ✊. Dingana manaraka ho antsika mpankafy baolina kitra Malagasy : 👇MIALA I A...
14/10/2025

Nandresy ny tolona ho an'ny vahoaka Malagasy ✊.

Dingana manaraka ho antsika mpankafy baolina kitra Malagasy : 👇

MIALA I ALFRED RANDRIAMANAMPISOA SY NY FORONGONY ✊. Be loatra ny kolikoly avy any amin'ny fotony. Sections, Ligue, ... Ary ampy ihany koa ny fanaovana fitaovana ireo klioba tsy manan-tsiny.

Mila miova ihany koa ny rafitra avy any ambany hatrany ambony mba hisian'ny mangarahara tanteraka.

Ho an'ny baolina kitra Malagasy ⚽🇲🇬

Nivoaka ho mpandresy tamin'ny isa 2 no 1 nanoloana ny ekipam-pirenen'i Comores ny Barean'i Madagasikara nandritra ny and...
08/10/2025

Nivoaka ho mpandresy tamin'ny isa 2 no 1 nanoloana ny ekipam-pirenen'i Comores ny Barean'i Madagasikara nandritra ny andro faha-09 ny fifanintsanana hiakarana any amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany 2026.

Coach Roro Hanazatra ny klioba Young Africans Sport Club any Tanzania. Raha ny vaovao mandeha amin'izao fotoana, dia fan...
06/10/2025

Coach Roro

Hanazatra ny klioba Young Africans Sport Club any Tanzania.

Raha ny vaovao mandeha amin'izao fotoana, dia fantatra ary izao fa nahita marimaritra iraisana tamin'ity klioba anisan'ny sangany ao Tanzania ity i Romuald Félix Rakotondrabe na i Coach Roro. Araka ny fanambarana nataony dia klioba telo no efa nifampiresaka taminy taorin'ny Chan 2025, dia ny Al Merrikh Sporting Club izay hilalaovan'i Fenohasina Gilles sy i Nicolas, ny klioba Simba SC any Tanzania ary ny ny klioban'ny Young Africans Sport Club no naharesy lahatra azy.

Tsiahivina fa ny klioban'ny Young Africans Sport Club no klioba sangany indrindra ao Tanzania izay efa nibata ny fifaninanana diviziona voalohany tany an-toerana 26 isa, efa nibata ny amboara nasionaly im-08 ihany koa ary efa mpandray anjara amin'ny fifaninanana aty Afrika.

El Hadary Raheriniaina 🇲🇬Izy no voafidy ho mpilalao mendrika indrindra tao amin'ny klioba Valenciennes FC nandritra ny v...
03/10/2025

El Hadary Raheriniaina 🇲🇬

Izy no voafidy ho mpilalao mendrika indrindra tao amin'ny klioba Valenciennes FC nandritra ny volana septambra 👏.

Hoy i Rayan Raveloson kapitenin'ny Barean'i Madagasikara tao amin'ny Instagram : « Ny rano, jiro ary ny fandriam-pahalem...
28/09/2025

Hoy i Rayan Raveloson kapitenin'ny Barean'i Madagasikara tao amin'ny Instagram :

« Ny rano, jiro ary ny fandriam-pahalemana = Singa fototra tsy afa-misaraka .
Aza vonoina nohon'ny zonay izahay ✊. »

Jaina 🔥 Paradou AC
25/09/2025

Jaina 🔥 Paradou AC

Nanambara ofisialy ny fahatongavan'i Fenohasina Gilles Razafimaro ihany koa ny klioba Soudanais Al Merreikh Sporting Clu...
24/09/2025

Nanambara ofisialy ny fahatongavan'i Fenohasina Gilles Razafimaro ihany koa ny klioba Soudanais Al Merreikh Sporting Club.

Mpilalao Malagasy roa izany aloha hatreto no efa ofisialy fa hilalao ao amin'ity klioba Soudanais ity, izay mifaninana ao amin'ny fifaninanana Super D1 any Mauritanie.

Nanambara ofisialy ny fahatongavan'i Andriamirado Arohasina na i Dax ny klioba CFFA Andoharanofotsy 👏. Etsy ankilany, di...
23/09/2025

Nanambara ofisialy ny fahatongavan'i Andriamirado Arohasina na i Dax ny klioba CFFA Andoharanofotsy 👏.

Etsy ankilany, dia hisy ihany koa ny fiovana goavana ho an'ny Fosa Junior FC amin'io taom-pilalaovana manaraka io. Maromaro ireo mpilalao hiova klioba ary hiezaka hanome sehatra ho an'ireo mpilalao tanora novolavolaina tao aminy izy ireo.

Ando Rakotondrazaka na i Ando Rakapy Natao veloma omaly nandritra ny lalao ara-pirahalahina nihaonan'ny Disciples FC sy ...
22/09/2025

Ando Rakotondrazaka na i Ando Rakapy

Natao veloma omaly nandritra ny lalao ara-pirahalahina nihaonan'ny Disciples FC sy Ajesaia ity mpilalao anisan'ny nanamarika ny baolina kitra Malagasy ity. Tsy ny baolina kitra ihany no nahafantarana azy fa teo ihany koa ny filalaovany ny taranja baolina lavalava teny amin'ny FTA Andavamamba teny.

Izy no anisan'ny noresahantsika voalohany teto amin'ny pejy tamin'ny niforonan'ny Gasy-Kitra ny taona 2022.
https://www.facebook.com/100083084624857/posts/138863662182036/?app=fbl

Nisaraka tamin'ny isa 1-1 ny Elgeco Plus FC sy ny Silver Strickers androany nandritra ny lalao mandroso amin'ny lalao sa...
21/09/2025

Nisaraka tamin'ny isa 1-1 ny Elgeco Plus FC sy ny Silver Strickers androany nandritra ny lalao mandroso amin'ny lalao savaranonandro fiodinana voalohany amin'ny fiadiana ny ho tompon-dakan'i Afrika.

Amin'ny sabotsy 27 septambra no hotanterahina any Malawi ny lalao miverina.

Tsy afaka hilalao mandritra ny lalao hihaonan'ny Elgeco Plus FC sy ny Silver Strickers i Nicolas Randriamanampisoa. Efa ...
21/09/2025

Tsy afaka hilalao mandritra ny lalao hihaonan'ny Elgeco Plus FC sy ny Silver Strickers i Nicolas Randriamanampisoa.

Efa hiaraha-mahalala moa fa vao avy nanambara ofisialy ny fahatongavany ny klioba Soudanais Al Merreikh Sporting Club izay mifaninana ao amin'ny fifaninanana diviziona voalohany any Mauritanie, noho izany dia tsy afaka hilalao ity vodilaharana ankavanana Malagasy ity anio tolankandro. .

Andry Max Anisan'ireo mpilalao Malagasy azo lazaina ho “ Sous côté ” ihany ity vodilaharana ity. Tazana miaraka amin'ny ...
20/09/2025

Andry Max

Anisan'ireo mpilalao Malagasy azo lazaina ho “ Sous côté ” ihany ity vodilaharana ity.

Tazana miaraka amin'ny Elgeco Plus FC , klioba nilalaovany teo aloha ihany koa i Andry Max. Ilay vodilaharan'ny AS Adema teo aloha, matanjaka sady goavana.

Ahafinaritra ity taom-pilalaovana ity ho an'ny Elgeco Plus FC.

Aza adino ny lalao rahampitso izay hihaonan'ny Elgeco Plus sy ny Silver Strickers avy any Malawi.

Address

Antananarivo

Telephone

+261324974673

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Gasy-Kitra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Gasy-Kitra:

Share

Category