14/04/2023
📣Baolina kitra – Ny coach Romuald Rakotondrabe na i "Rôrô" no voatendry indray hanazatra ny Barea amin'ny lalaon'ny Nosy hotanterahina ny volana aogisitra 2023. ⚽️🇲🇬
🟢Efa ofisialy izao, fa i Romuald Félix Rakotondrabe na coach Rôrô no hitondra ny Barea mandritra 𝗝𝗲𝘂𝘅 𝗱𝗲𝘀 𝗜̂𝗹𝗲𝘀 𝗱𝗲 𝗹'𝗢𝗰𝗲́𝗮𝗻 𝗜𝗻𝗱𝗶𝗲𝗻 na JIOI hotanterahina eto Madagasikara ny 23 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra 2023. Nanapa-kevitra ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa ho ankinina aminy ny Barea izay hiatrika ny lalaon’ny Nosy Indianina amin’ity taona ity. Mitohy arak’izany ny lalana ho an'i Romuald "Rôrô" Rakotondrabe sy ny Barea.
🟢« Nifarana taorian’ny Chan ny fifanekena na contrat nataon’ny mpanazatra Rôrô tamin’ny FMF ary fifanarahana vaovao indray no natomboka tamin’izao fanendrena azy ho filohan’ny Barea ho an’ny lalaon’ny Nosy izao”, hoy Victorien Andrianony, filoha vonjimaika ny federasiona, ny alakamisy teo.
🟢7 ny nosy handray anjara amin’ny taranja baolina kitra mandritra ny JIOI 2023. Madagascar mpampiantrano, Comores, Maldives, Mayotte , La Réunion , Seychelles, ary ny nosy Maurice izay tarihin’i Fidy Rasoanaivo no ho hifaninana mandritra izany.
🟢Nanambara hatrany ny filohan’ny FMF fa sarobidy coach Roro ary maro ny mbola ilana azy amin’izay baolina kitra Malagasy izay. Etsy ankilany , tsy mbola fantatra hatreto ny mahakasika an’i Nicolas Dupuis mpanazatra ny Barea A teo aloha, izay efa nanambara ny fikasany hiala tsy ho mpanazatra ny Barea intsony taorian’ny ny fifanintsanana Can 2023. Mbola tsy misy mantsy hatreto ny taratasy ofisialy mahakasika izay fialany izay araka ny fanazavan’ny FMF. Ary mbola baraingo hatreto izany hanazatra ny Barea izay handray an’i Black Stars an’i Ghana etsy Mahamasina ny volana jona 2023 izao izay andro faha-5 ny fifanintsanana CAN 2023.
⚽️