29/07/2026
Ampiasao kely anie ny imagination-nao fa mahita défi eraky ny fiainana ianao fa tsy voatery hiandry spot hangatahana amin'ny fanjakana vao hikotrana.
NOOB SKATE DAY! dia andro iray nokarakarain'ny FAINGO D natokana ho an'ireo skater mbola amateur. (Izany hoe hataontsika hoe manosika skate hatreo amin'ny Ollie tsy mbola tsara be no mbola hainy) . Androntsika ity. Manasanareo ny FAINGO D ho tonga amin'ny Sabotsy, 15 Aogositra 2026 izao ho eny IMERINKASININA. Hifankafantatra, hiara-hisakafo, hilalao, hisosa sy hisy défi maro ho lalaovina ary loka maro be dia maro be no ho zaraina. Sady amin'izao fialantsasatra izao, andeha haka rivotra madio.
Hisy ny transport en commun ho an'ireo izay mila izany (Frais 5000ar eo, fa mety mbola hilatsaka) ka manasanao hisoratra anarana mialoha ho an'ireo handeha fiara.
Marihina fa maimaimpoana ny fandehanana, sy fandraisana anjara amin'io andro io ka dia taomy, mivoaha isika skater rehetra vao manomboka rehetra any...
Ho an'ireo izao mitady skateboard pro, ny ato amin'ny FAINGO D dia manomboka 160.000ar hatramin'ny 250.000ar.