24/08/2026
🎒📚 FANAMPIANA HO AN’NY FIANARAN’NY ZANAKY NY MPIARA-MIASA KIANJA BAREA MAHAMASINA (KBM)
Anio, ho fanehoana ny firaisan-kina sy ny fifanohanana ao anatin’ny fianakaviam-ben’ny Kianja Barea Mahamasina (KBM), dia nanatanteraka hetsika manokana ny Vondrona Sosialin’ny Kianja Barea Mahamasina, tamin’ny alalan’ny fanolorana kojakojam-pianarana ho an’ireo zanaky ny mpiasa rehetra, ho fanomanana ny taom-pianarana vaovao.
Ity hetsika ity dia maneho ny fahavononan’ny KBM hanohana sy hikarakara ny maha-olona, indrindra ireo mpiasa izay mandray anjara mavitrika amin’ny fampandehanana sy ny fanatanterahana ny asa iantsorohan’ny Kianja Barea Mahamasina.
Tsy fanomezana fotsiny izao hetsika izao, fa fanehoam-pitiavana, firaisan-kina ary fifanohanana, izay manamafy hatrany ny soatoavina maha fianakaviana ny KBM.
Amin’ny alalan’izao fandraisana andraikitra izao, dia mirary taom-pianarana feno fahombiazana sy fahazotoana ho an’ireo ankizy rehetra ny Kianja Barea Mahamasina. 📚✏️🎒
“Ny fanabeazana no fototry ny hoavy.”