Union Football Academy Ampitatafika 102

Union Football Academy Ampitatafika 102 École de football

🙏❤️FANKASITRAHANA LEHIBE HO ANAREO MAÎTRE ❤️🙏 Ao ambadiky ny ankizy mahay sy matoky tena, misy Maître tsy sasatra manoro...
28/07/2026

🙏❤️FANKASITRAHANA LEHIBE HO ANAREO MAÎTRE ❤️🙏

Ao ambadiky ny ankizy mahay sy matoky tena, misy Maître tsy sasatra manoro lalana, mampianatra ary mijoro ho azy ireo. 💪⚽️

Misaotra tamin’ny fitiavana, ny faharetana ary ny fanoloran-tena ho an’ireo ankizy.
Ny ezaka ataonareo anio no mamolavola ny tompondaka rahampitso! 🏆❤️

Mankasitraka indrindra, Maître! 🙏💚🤍❤️

🙏❣️Hankasitrahana feno ihany koa isika Ray aman-dreny rehetra nametraka ny fahatokisanareo tamin’ny UNION FOOTBALL ACADEMY,isika rehetra izao no toko telo nahamasa-nahandro nahazoana izao vokatra izao.
Ny mpanazatra-Ny mpitantana-Ny mpilalao-ary ny Ray aman-dreny🙏👏👏

Ampahan-tsary vitsivitsy
28/07/2026

Ampahan-tsary vitsivitsy

28/07/2026
28/07/2026

🏆❤️ Fandresena mamy ho anareo rankizy!
Faly sy mirehareha aminareo izahay.
Ny ezaka, ny faharetana ary ny firaisan-kina no nitondra izao fandresena izao. 👏⚽
Mankasitraka sy tia anareo hatrany! ❤️💚🤍

🏆🔥 TOMPON-DAKA U11 – UNION FOOTBALL ACADEMY! 🔥🏆Fandresena lehibe! Fahombiazana lehibe! Rehareha lehibe! ❤️💚🤍Taorian’ny e...
27/07/2026

🏆🔥 TOMPON-DAKA U11 – UNION FOOTBALL ACADEMY! 🔥🏆

Fandresena lehibe! Fahombiazana lehibe! Rehareha lehibe! ❤️💚🤍

Taorian’ny ezaka sy ny ady tsy nitsahatra, dia nanjaka tamin’ny Tournoi de Vacances notanterahina teny amin’ny Terrain Ambohimamory ny U11 Union Football Academy, ka azon’izy ireo ny mari-boninahitra Maha tompon-daka 🏆🥇⚽

💥 UNION FOOTBALL ACADEMY 3️⃣ – 1️⃣ AFC 💥

Fandresena mendrika, fandresena mamirapiratra! 👏🔥
Nasehon’ireo ankizy ny finiavana, firaisankina, fahavononana ary toe-tsaina mpandresy nananany hatramin’ny farany. 💪⚽

🎉 ARAHABAINA RY U11! 🎉
Ianareo no TOMPON-DAKA! 🏆
Tena mirehareha aminareo izahay. Ity fandresena ity dia vokatry ny asa mafy, ny fifehezana ary ny finoana fa rehefa miray hina isika dia afaka mahavita zavatra lehibe! ❤️

🙏 FANKASITRAHANA 🙏

Mankasitraka indrindra ny AFC Ambohimamory sy ireo mpikarakara rehetra tamin’ny ezaka sy ny fandraisana anay tamim-pitiavana nandritra ity fifaninanana ity. 👏⚽️

Isaorana manokana ianareo tamin’ny fandaminana sy ny fandraisana andraikitra. Tena mendrika fankasitrahana lehibe ianareo. 🙏❤️

Misaotra tompoko, ary mirary fahombiazana hatrany! 🤝⚽️

🙏 Fisaorana sy fankasitrahana lehibe ho an’ireo mpanazatra izay manabe sy mitarika ireo ankizy isan’andro; ho an’ireo mpitantana izay miasa am-pitiavana ho an’ny akademia; ho an’ireo ray aman-dreny sy mpanohana izay mijoro hatrany; ary indrindra ho an’ireo mpankafy rehetra izay tsy mitsahatra manohana sy mino ny Union Football Academy. 👏❤️

Ity fandresena ity dia fandresena hoantsika rehetra! 🏆🙌

🔥 BRAVO U11!
🏆 TOMPON-DAKA ISIKA!
💚 Mirehareha aminareo izahay!
❤️ Vous êtes les meilleurs !
🤍 L’UNION FAIT LA FORCE !
⚽ ENSEMBLE, DEVENONS MEILLEURS ! 💪🏆

🔥⚽ 1/4 DE FINALE – UNION FOOTBALL ACADEMY U11⚽🔥Mbola mitohy ny lalana hoan’ny UNION FOOTBALL ACADEMY catégorie U11Rahamp...
26/07/2026

🔥⚽ 1/4 DE FINALE – UNION FOOTBALL ACADEMY U11⚽🔥
Mbola mitohy ny lalana hoan’ny
UNION FOOTBALL ACADEMY catégorie U11
Rahampitso Alatsinainy 27 Jolay,
hiakatra an-kianja hiatrika ny 1/4 de finale amin’ny Tournoi de Vacances ny Union Football Academy – Catégorie U11!💚❤️

📍 Terrain : Ambohimamory
⏰ Ora : 8 ora sy sasany maraina

💪🔥 Koa antsoina isika rehetra ato amin’ny Union Football Academy, ray aman-dreny ary mpankafy rehetra, ho avy hanohana sy hampahery ireo ankizy!
🙌❤️ Ny fanohanantsika no herin’izy ireo!

Allez UNION ! 💚❤️ L’UNION FAIT LA FORCE ! ⚽🔥

IFA TOURNAMENT ❣️
26/07/2026

IFA TOURNAMENT ❣️

❤️⚽ Fankasitrahana manokana ho an’i Sahazaniaina (Bota) Goals! 🧤🔥Anisan’ireo niady mafy ianao androany, nijoro hatramin’...
26/07/2026

❤️⚽ Fankasitrahana manokana ho an’i Sahazaniaina (Bota) Goals! 🧤🔥

Anisan’ireo niady mafy ianao androany, nijoro hatramin’ny farany ary niandry ny haratonao tamim-paharetana. Mendrika fiderana ianao, Bota! 👏❤️
Tohizo hatrany ny ezaka, aza kivy, fa ny fotoana mety ho anao mbola ho avy! 💪⚽🔥

💚❤️ MANKASITRAKA SY MANKAHERY ANAREO, UNION FOOTBALL ACADEMY – CATÉGORIE U13! ❤️💚Tapitra androany ny dianareo tamin’ity ...
26/07/2026

💚❤️ MANKASITRAKA SY MANKAHERY ANAREO, UNION FOOTBALL ACADEMY – CATÉGORIE U13! ❤️💚

Tapitra androany ny dianareo tamin’ity IFA TOURNAMENT ity, taorian’ny dingana manasa-dalana
Demi-finale
UNION FOOTBALL ACADEMY vs CFSL
01. 02
Na dia tsy tafakatra tamin’ny dingana farany aza,
dia mendrika fiderana sy rehareha lehibe ny lalao sy ny ezaka nasehonareo hatramin’ny farany. ⚽🔥

💪 Nijoro ianareo, niady hatramin’ny segondra farany, ary nanome ny tsara indrindra ho an’ny lokon’ny UNION FOOTBALL ACADEMY. Tsy ny vokatra ihany no zava-dehibe, fa indrindra ny fandrosoana, ny traikefa ary ny lesona entinareo mankany amin’ny lalao manaraka.

🙏 Fisaorana feno ho an’ireo ray aman-dreny, mpanazatra, mpitantana, mpanohana ary ireo rehetra nijoro sy nanampy ny Union Football Academy nandritra ity IFA TOURNAMENT ity. Ny fanohanana sy ny fahatokisanareo no hery manosika hatrany ny ankizy.

🤝 Fisaorana manokana ihany koa ho an’ny tamin’ny fanasana sy ny fahafahana niara-nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity. Mankasitraka indrindra tamin’ny fandraisana sy ny fiaraha-miasa. ❤️

🏆 Izao aloha no vita… fa tsy eto no mifarana ny dia!
Mbola lavitra ny lalana, mbola betsaka ny zavatra hianarana, ary mbola maro ireo fandresena miandry antsika. Koa mijoroa hatrany, tohizo ny ezaka, ary aza kivy!

🔥 Mirehareha aminareo izahay, U13!
💚❤️ Mandrosoa hatrany, UNION FOOTBALL ACADEMY!
🤝 L’UNION FAIT LA FORCE !
⚽ ENSEMBLE, DEVENONS MEILLEURS !

25/07/2026

📣 FAMPAHATSIAHIVANA KELY – MATCH RAMPITSO ⚽💚🤍❤️

📅 Alahady 26 Jolay 2026
📍 Terrain Antanikatsaka

⏰ @ 7 ora maraina ny fihaingana eo Ankadintany.

👉 Ampahatsiahivina ny rehetra fa:

* Samia mitondra fitaovam-pihinanana sy rano fisotro.
* Ny ankizy rehetra dia manao tenue de parade vert ambony.
* 💰 Saran-dalana: 2 000 Ar / ankizy
* 🍽️ Participation sakafo sy goûter ary droit d’engagement 5 000 Ar / ankizy

🙏 Entanina isika rehetra mba ho tonga ara-potoana ary samy hiomana tsara.

L’UNION FAIT LA FORCE 💪⚽
Ensemble, devenons meilleurs ! 💚🤍❤️

Address

Ambohibao

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Union Football Academy Ampitatafika 102 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share