13/07/2026
Famintinana ny Coupe Internationale d’Antananarivo 2026
Nahomby tanteraka ny Coupe Internationale d’Antananarivo andiany faharoa, izay notanterahina ny 10, 11 ary 12 Jolay 2026 tao amin’ny Palais des Sports et de la Culture Mahamasina. Nandritra ireo telo andro ireo dia nifanandrina ireo mpikatroka karate avy eto Madagasikara sy avy any ivelany, ka nanolotra fifaninanana avo lenta na teo amin’ny kata na teo amin’ny kumite.
Nanao vokatra miavaka ny ekipantsika tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity, ka nahazo medaly 30 tamin’ny ankapobeny, izay mizara toy izao:
🏅 Medaly Volamena (10)
* Wassinah
* Finoana (medaly 3)
* Fenosoa
* Tonia
*Rotsy
* Christian Fiderana
* Christian Finoana
* Sedera
🥈 Medaly Volafotsy (9)
* Tiantsoa
* Naoumie
* Diane
* Jay
* Tsiky
* Tsifoina (Kata)
* Loïc
* Toky
* Kenny
🥉 Medaly Alimo (11)
* Kadaphine
* Wassinah (Kata)
* Tiavina (medaly 2)
* Arron (Kata)
* Steeve
* Nicolas
* Christiano
* Riantsoa
*Tonia(Equipe)
*Toky(Equipe)
Porofon’ny ezaka, ny fifehezan-tena ary ny fikirizan’ireo atleta rehetra ireo vokatra tsara ireo. Isaorana sy ankasitrahana ihany koa ireo mpanazatra, ray aman-dreny ary mpanohana rehetra izay niara-nisalahy sy nanohana ny ekipa nandritra ity fifaninanana ity.
Arahabaina ireo nahazo medaly rehetra sy ireo mpandray anjara rehetra izay nisolo tena tamim-boninahitra ny ekipantsika. Ity vokatra nahazoana medaly 30 (Volamena 10, Volafotsy 9 ary Alimo 11 ity dia rehareha lehibe ary hanome hery sy aingam-panahy hiatrehana ireo fifaninanana manaraka eto an-toerana sy iraisam-pirenena.
Arahabaina e! Mankasitraka ny ezaka nataon’ny rehetra, ary mirary fahombiazana hatrany amin’ny fifaninanana ho avy! 🥋🏆🇲🇬