03/08/2026
⭕ FA INONA MARINA NY ZAVA-MISY⁉️
➡️ Yan Diomandé : Dia manana olana ara-pitsarana lehibe nipotra tampoka, izay mety hanohintohina ny fifindrany ho ao amin'ny Real Madrid⚪🇨🇮⚖️
▪️Ny zava-misy, na dia efa saika vita tanteraka aza ny fifanarahana teo amin’ny Real Madrid sy RB Leipzig, dia nipoitra tampoka ny olana ara-dalàna.
Araka ny tatitry ny Diario AS, i Gradel 🇨🇮, izay agent-an'i Yan Diomandé taloha dia milaza fa najanony fa tsy ara-dalàna ny fifanarahana niaraka tamin'ilay mpilalao.
Noho izany dia nametraka fitoriana ofisialy tany amin’ny FIFA ⚖️ izy.
⚪ Ny Real Madrid kosa dia nifampiraharaha tamin’ny Nation ary tsy nahalala akory ny fisian’ity fifandirana sy olana ity, ka zary lasa mitazarazoka ny famaranana ny fifanarahana.
▪️ Ankehitriny, ny FIFA no tompon’ny teny farany. Misy ny safidy 3 azo atao:
1- Manome licence vonjimaika ho an’ilay mpilalao mba hahafahana manamafy ny transfert na dia eo aza ny olana.
2- Mangataka ny hiandrasana mandra-pahavitan’ny fanadihadiana, izay mety hanemotra ny fifindrana.
3- Ary ny farany dia tranga ratsy indrindra, izay mety hanakana tanteraka ny transfert raha toa ka heverina fa manan-kery ny fitoriana napetraka.
⏰ Ao anatin'ny 48 ora manaraka no tena ahitana fanapahan-kevitra mazava ny momban'i Yan Diomandé....
Ho afaka hanatevin-daharana ny Real Madrid ve izy araka ny drafitra, sa mbola tsy maintsy hiandry indray⁉️
©️ Diario AS
__________
Mirary soa mba ho voavahy ara-drariny ny olanao🤝🔥
Hala Madrid ⚪ ⚪ ❤️