29/12/2025
Mankasitraka nizara tompoko 🙏
Fenosoa Razafimamonjy
📌Match de défi
Raha ny "contenu" an'ilay lalao dia antonony ary tsy lavitra ny zavatra nandrasana,efa zava-dehibe hoe nihezaka nanao lalao "serieux" araka ny noresahintsika teto ny Ravitoto,nahay nilalao nifanaraka atmin'ny havizanana sy ny "forme" fialan-tsasatra hita ny lenta taktika ambony teo amin'izy ireo.Fantany fa matanjaka ny DFC anaty fifaninana aary mbola vao manomboka ny taom-pilalaovana ry zareo kosa efa vizaka ny taom-pilalaovana lava be ary nanomboka filan-tsasatra dia navelany ho an'ny DFC ny baolina nipetraka nanao bloc médiane ry zalahy,mi recuperer dia mi circuler baolina ary manao transition malaky...mahafinaritra e!Serieux tsara ry Rado taoriana nampiseho fa mpilalao iraisam-pirenena izy ,tahaka izay ihany koa i Nina sy ny hafa...
Tetsy ankilany DFC efa hita hoe ekipa vonona hanao zavatra amin'ity taom-pilalaovana ity ...tena tain'i Mamisoa ary feheziny ilay 4 3 3,ny mpilalao eo am-pelatanany ihany koa ahafahany milalao io tsara mihitsy...tsy maika nanafika ary nanaraka consigne ny mpilalao,fanafihana mivoaka amin'ny sisiny dia miandry deesuilibre vao miditra anaty zone de finition...(Tsy resahiko lava be sao bedin'ny DFC ,ny championnat mbola lava,misy hitsipona infos eo hihiihi) sinon,tsara ee!Ilaina koa ilay manome temps de jeu ny mpilalao sasany oa andry Balvano sy ry Faniry...
Fotoana iray ho ahy nahitako ny maha mplilalao lehibe an'i Dahery ihany koa omaly an!!Ny engangement,vision,ny role lalaoviny amin'ilay projet de jeu an'ny ekipany vitany tsara ...
⚠️Teboka farany ny Organisation
Efa narabaiko mialoha ny mpikarakara sy ny ekipany omaly,lafatra e!!Vao maika nampisy tsiro lehibe ilay fampitana mivantana niaraka tamin'ny ekipa teknika tena tsara ,misy fijery maro tonga tato an-tsaiko nahita ny fampitana mivantana sy ny fitantaran'i Tsanta, maro ny zavtra azo atao aan...bravo zalahy!
Fa nahavariana kely koa aloha ilay mpijery nitangorona teo amin'ny sisin'ny kianja nefa ny seza milay be eny amin'ny gradin tsy feno e! hihihiii ambiance tsara keli!😄