05/03/2026
Toutes nos félicitations à l'artiste Cloud Blue !
Les gens, les jeunes gasy ont du talent ! :)
ARIRA ARIRA,
🇲🇬 "Manga" noforonin'i Cloud Blue.
Tontolo roa samy hafa, anefa toa iray ihany. Fitaratra manelanelana ny taloha sy ny ankehitriny, mampatsiaro ireo angano sy tantara re fahiny. Tantara mampientanentana, hahitana ihany koa fitiavana sy firaisan-kina. Tantara foronina malagasy, vakio anie fa mahaliana !
Fanontàna : Hay Tsingory.
📌 Fintiny :
Indray alina, raha toa ka feno tanteraka ny volana ka nanazava ny tanàna, rava ny fanjakàn'i Tanimbazimba. Kiakiaka, afo, tomany, rà... izany no vokatry ny haizim-pito, izay nitoetra tao amin'i Mahatante, mpiady lehibe iray, sy ny miaramila nanampy azy. 🌑
Mba ho fiarovana ny zanany vavitokana, dia nalefan'ny mpanjakavavy Ranoro niaraka tamina zazalahy kely iray, antsoina hoe Ibonia, ho any amina tontolo hafa izy, tontolo fitaratra, atao hoe “Arira”. Tafiampita ara-potoana ihany izy mianadahy, na dia nohenjehin'ny miaramilan'i Mahatante aza.🪞
Zanabolana no anaran'ilay zaza, ary mbola kely tokoa izy tamin'io fotoana nandaozany ny tontolo nahaterahany io. Ankehitriny, efa lasa tovovavy lehibe izy, ary tsy mahalala n'inona n'inona momba ny lasany. 🌕
Inona ny mystery miafina ao ambadikin'ny tantaran'ity tovovavy ity? Ho mety toa inona ny fiatraikan'ny lasany aminy?
Araho ny tantara raha te hahalala. 😏
📌 P.S 1 : Mizara ho boky maromaro ity tantara ity, ary efa azo jifaina amin'ny vidiny 9500 Ar eny amin'ny stations JOVENA sy trano fivarotam-boky maromaro ny TOKO 1 amin'ny BOKY 1 (jereo ny commentaires 👇). 📚
📌 P.S 2 : Mety hahitana sary mahatohina ity boky ity ka NATOKANA HO AN'NY OLONA MIHOATRAN'NY 13 TAONA IRERY IHANY. 🚫
Mamakia finaritra ary aza adino ny manaraka ny pejy ! 🤗
- - - -
🇨🇵 Manga créé par Cloud Blue.
Deux mondes différents, pourtant similaires. Un miroir entre le passé et le présent. Une histoire nous rappelant nos contes d'enfance et traditions légendaires. Histoire pleine de mystères, d'amour et de solidarité mis en avant. Êtes-vous prêts à nous suivre, dans cette grande aventure ?
Maison d'édition : Hay Tsingory.
📌 Synopsis :
Dans une nuit éclairée par la pleine Lune, le royaume de Tanimbazimba s'écroule. Cris, feu, pleurs, sang... c'est le résultat de la force des ténèbres habitant Mahatante, grand guerrier de ce temps, ainsi que ses soldats. 🌑
Pour protéger sa fille unique, la princesse Ranoro envoya celle-ci, accompagnée d'un petit garçon appelé Ibonia, dans un autre monde, un monde miroir, appelé “Arira“. Les soldats de Mahatante n'ayant pas pu les rattraper, les deux enfants ont pu traverser le portail. 🪞
La petite fille se nomme Zanabolana, et elle était encore toute jeune lorsqu'elle a quitté son monde. Aujourd'hui, elle a bien grandi, mais ne sait rien de son passé. 🌕
Quels mystères se cachent derrière l'histoire de cette jeune fille? Quelles répercussions son passé pourrait avoir sur elle?
Il faudra lire l'histoire pour le savoir. 😏
📌 P.S 1 : Cette histoire se divise en plusieurs tomes, et le CHAPITRE 1 du TOME 1 est déjà disponible dans les stations JOVENA, ainsi que dans des librairies, toutes localisées à Antananarivo (détails en commentaire👇). 📚
📌 P.S 2 : Le manga peut contenir des images choquantes, il est donc RÉSERVÉ UNIQUEMENT AUX PLUS DE 13 ANS. 🚫
Bonne lecture et n'oubliez pas de vous abonner. 🤗