17/02/2026
⛪𝗙𝗔𝗡𝗧𝗔𝗥𝗢 𝗜𝗥𝗘𝗧𝗢 𝗠𝗕𝗔 𝗛𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡𝗔𝗢 𝗡𝗬 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗔𝗟𝗔𝗥𝗢𝗕𝗜𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗟𝗔𝗩𝗘𝗡𝗢𝗡𝗔?⛪
🟪1-𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐈𝐙𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐕𝐄𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀?
Lavenona avy tamin'ny Sampankazo (notsofina rano tamin'ny Alahady ny Sampankazo tamin'ny taona lasa) izay nodorana no ampiasaina. Ny Pretra na ny Diakra no mitsodrano izany avy eo afaka zarain'ny lahika izay voatendry hanampy ny Pretra amin'izay. Ka aorian'ny Toriteny no izarana izany ao amin'ny litorjia. Tsy misy ny vavaka na hira fifonana.
🟪2. 𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐃𝐈𝐍𝐃𝐎𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐀𝐕𝐄𝐍𝐎𝐍𝐀?
➖Ny fahalemena (osa sy malemy), maneho ny fahafatesan’ny olombelona. (Vovoka ianao ka hody vovoka indray.)
➖Mila famonjena avy amin’ny famindram-pon’Andriamanitra isika satria mpanota.
➖Tsy fomba ety ivelany fotsiny izy io, fa mariky ny fibebahana ao anatiny, izay iantsoana ny olombelona rehetra.
🟪3. 𝐀𝐇𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐅𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐙𝐘?
Atao endrika Lakroa eo amin'ny handrina ho an'ireo izay maniry handray izany sady miteny ilay mpizara azy hoe: “Mibebaha ary minoa ny Evanjely.” na “Tsarovy fa vovoka ianao, ary hody vovoka indray”.𝐓𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐯𝐚𝐥𝐢𝐧-𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨. Mandritra izany dia manao hiran'ny Karemy na fiantsoana fibebahana.
🟪4. 𝐌𝐈𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐏𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐄 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐕𝐄𝐍𝐎𝐍𝐀, 𝐌𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐒𝐀 𝐋𝐄𝐍𝐀?
Tsy misy fitsipika hentitra; miankina amin’ny fomba amam-panao amin'ny toerana na firenena:
➖Afaka asiana rano kely ny lavenona mba tsy hiparitaka ka atao eo amin’ny handrina miendrika Lakroa.
➖Na avy dia lavenona maina no atao amin’ny handrina miendrika lakroa.
🟪5. 𝐀𝐙𝐎 𝐙𝐀𝐑𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐈𝐕𝐄𝐋𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐌𝐄𝐒𝐀 𝐕𝐄?
Eny. Araka ny Boky Misely Romana, azo atao ivelan’ny Lamesa ny fizarana ny lavenona, miaraka amin’ny Litorjian’ny Tenin’Andriamanitra, vakiteny, toriteny, tso-drano ary famaranana.
🟪6. 𝐀𝐅𝐀𝐊𝐀 𝐌𝐈𝐙𝐀𝐑𝐀 𝐋𝐀𝐕𝐄𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐕𝐄 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐇𝐈𝐊𝐀?