Mahats'Art Chess Club Tanjombato

Mahats'Art Chess Club Tanjombato Fanabeazana sy fialamboly amin'ny alalan'ny kilalaon-tsaina Echecs

24/02/2026

Mampirisika ireo zandry mianatra momba ny robotisation
mety ho vitatsika ve?

17/02/2026

👉Sans transparence, le jeu s’égare.
Sans amour des échecs, il se dessèche.
Mais lorsque la clarté s’unit à la passion,
naît la noblesse d’un combat éternel.

🫅Tantara mahafinaritra
14/02/2026

🫅Tantara mahafinaritra

11 FEBROARY 1975 ANDRO TENA NANOVA NY FIAINAKO ARY NAMELAN'I DADA TAHIRY TSY AZO KOSEHINA ATO AM-POKO:

Vao nahare zavatra nipoaka be izahay dia hoy I Dada ( Pasteur ANDRIAMANJATO Richard Mahitsison) hoe : " Izaho no 2 ème liste an-dry zalahy fa mila mailo isika!" Tena mbola Kely aho t@ izany nefa fantatro ny dikan'ny teniny satria talohan'io izy mivady no nanolotra ireo lambamena anay 4 mianadahy raha sendra ka maty ry zareo.
Nijojo tsy ankijanona ny ranomasoko na dia tsy nahaloam-peo akory aho t@ izany!
Tsy tapitapitr'izay dia tonga ny vahoaka nanodidina ny tranonay tao Anjohy izay lasa "musée de la photographie" ankehitriny. Hitako tony I Dada sy Neny fa rehefa nanomboka ny fifampitifirana teny Antanimora dia vao maika aho natahotra nahare ny feom-basy nifamaly!
Noraisin'i Dada moramora aho dia hoy izy:
" Avia ianao aty hampianariko an'ireo kilalao , @ izay ianao tsy hailikiliky ny ankizy intsony!"
Izaho moa no zandriny indrindra t@ izay tao an-trano t@ ireo ankizy notezain'i Dada sy Neny.
Nanaiky aho sady mbola nihanangovitra ihany t@ poa-basy tsy ankijanona! Ny tao an-tsaiko dia hoe mety ho faty I Dada isak'izay misy basy mipoaka!
Fa nalain'ny Dada ny échec izay kilalao tsy nidirako mihitsy satria sarotra tamiko fa hoy izy tamiko: " Avia ianao fa morabe ity!"
Dia nampianariny ahy ny "règles du jeu" dia nataony nilalao niaraka taminy aho.
T@ voalohany nahitsiny izay nataoko fa nony azoko Ilay izy dia hoy izy hoe :" MIERITRERETA ianao "5 COUPS" dia eritrereto izay tsara indrindra vao manisaka "pion"" Sarotra tamiko izany t@ voalohany fa nony tena nifantoka aho dia tena tsy henoko intsony ny poa-basy fa lasa faly aho nieritreritra sy nilalao .T@ voalohany elaela aho nieritreritra Ilay 5 coups fa notezerany nony farany hoe : " Ngah hatory eto isika mianaka e!" Dia niezaka! Resiny foana aho aloha fa nampahereziny hoe:" EFA miha-mahay ka!" Fa hafaliana ny ahy rehefa nandrésy aho!!!
Dia hoy izy tamiko: " Andao ovaina indray ny lalao dia tadidio fa mila mieritreritra tsara tahaka ny manao échec vao mihetsika an!
Nampianariny @ izay ny fanorona, belote, katro,dame ary, ny daomy izay noheveriko fa haiko fa tsy namelany raha tsy nisaina aho vao mandefa vato. Iray Andro manindritra izahay mianaka no niaraka teo. Zara Raha nisakafo. Fa tsy henoko intsony ny poa-basy fa fifaliana tsy hain'izan'iza hambara no nananako t@ izany! IZAY I DADA VAO NIARAKA TAMIKO ELA TOY IZANY ( Sady tsy nisy fotoana toy iny intsony)
TSORIKO! FA RESIKO DAHOLO NY ANKAMAROAN'IZAY NIFANINANA TAMIKO T@ IREO KILALAO IREO T@ IZANY NA DIA MBOLA KELY AZA AHO!
Rehefa nilamina ny tanàna ka nilalao ny ankizy dia nanatona aho mba hilalao dia mazava loatra fa tsy nanaiky aloha ry zareo t@ voalohany fa tonga dia hoy I Dada hoe: " Avelao izy hilalao fa mahay ialahy raha haharesy azy!" Dia mazava loatra fa tonga dia hoe: " Andao ary dia ho hitantsika eo..." Kanjo......
VONINAHITRA HO AN'ANDRIAMANITRA!!!
Satria nony lehibe aho dia tena Fantatro mihitsy fa IZY Andriamanitra no namolavola ahy t@ alàlan'i Dada. Satria .....

Nony injay aho hanoratra diplaoma tany am-pita dia izay vao fantatra hoe bevohoka aho! Tonga dia hoy ny tao @ Université hoe aleo ianao mijanona fa tsy ho vitanao mihitsy io boky io satria mila ianao manoratra "5 propositions" be izao hahafahanao manaporofo hoe Iza @ ireo no tsara indrindra nefa mila fotoana bé ny "proposition" anankiray!
Dia hoy aho hoe VITAKO IZANY! Tonga tao an-tsaiko avy hatrany hoe "DADA"! Dia TSY nanaiky nijanona aho fa hoe hanoratra ny diplaomako.
Dia nisaotra ny Tompo izahay fa an'isan'ireo nanao "soutenance" voalohany aho sady niaraka t@ zazakely.

TSARA LOATRA JESOSY ! ( Tenin'i Dada io rehefa faly izay izy)

Mandroso hatranyMankasitraka ny Ligue Analamanga Des Echecs
03/02/2026

Mandroso hatrany
Mankasitraka ny Ligue Analamanga Des Echecs

🤝 REMERCIEMENTS & RECONNAISSANCE – LADE 2026

La Ligue Analamanga des Échecs tient à adresser sa profonde gratitude à toutes les institutions et aux passionnés qui ont contribué, chacun à leur manière, à la réussite du 𝗧𝗼𝘂𝗿𝗻𝗼𝗶 𝗱’𝗢𝘂𝘃𝗲𝗿𝘁𝘂𝗿𝗲 𝗱𝗲 𝗦𝗮𝗶𝘀𝗼𝗻 𝟮𝟬𝟮𝟲.

Nous remercions sincèrement :

🏛️ Le Ministère de la Jeunesse et des Sports (MJS)
🏛️ La Direction Régionale de la Jeunesse et des Sports Analamanga (DRJS) pour leur accompagnement institutionnel et leur engagement en faveur d’un développement structuré et légal du sport.

🏢 L'Académie Nationale des Sports ( Ans Ampefiloha ) pour l’accueil et la mise à disposition de l’espace ayant permis la tenue de cette grande rencontre échiquéenne.

À Tetema pour la conception des beaux trophées.

🙏 Félix Rakotomalala pour son soutien précieux et son implication aux côtés de la communauté des échecs.

L'ancienne équipe de la Ligue Analamanga Des Echecs pour leur solidarité avec nous tous.

♟️ Les clubs ayant apporté un soutien matériel essentiel :
IKM CHESS CLUB Antsahavola, CCT Chess Club Talatamaty, JOKER, Daddy Cool, QCM ; merci pour votre solidarité concrète qui a grandement contribué à l’organisation du tournoi.

🤝 Les clubs ayant renforcé leur cohésion autour de la dynamique régionale :
ACC Ambohimanarina, ANKATSUKI, Super 7 Chess Club Madagascar, Mahats'Art Chess Club Tanjombato, ICA, KOM, et bien d’autres encore, votre engagement montre que l’unité et la collaboration sont les véritables moteurs du développement des échecs.

Grâce à vous tous, la LADE continue d’avancer avec légitimité, responsabilité et passion, portée par une communauté soudée qui croit en un avenir fort et prometteur pour les échecs à Analamanga. ✨

"𝗘𝗻𝘀𝗲𝗺𝗯𝗹𝗲, 𝗽𝗼𝘂𝗿 𝘂𝗻 𝗱é𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝘀𝘁𝗿𝘂𝗰𝘁𝘂𝗿é 𝗲𝘁 𝗶𝗻𝗰𝗹𝘂𝘀𝗶𝗳 𝗱𝘂 𝗷𝗲𝘂 𝗱'é𝗰𝗵𝗲𝗰𝘀."

MANKASITRAKA E🤝
31/01/2026

MANKASITRAKA E🤝

👉👉Tournoi lehibe natao ho an’ny rehetra Karakarain’ny Ligue Analamanga Des Echecs Ao @ ANS AMPEFILOHATsy voatery manana ...
23/01/2026

👉👉Tournoi lehibe natao ho an’ny rehetra
Karakarain’ny Ligue Analamanga Des Echecs
Ao @ ANS AMPEFILOHA

Tsy voatery manana club
Afaka milalao daholo ny rehetra

God exists
22/01/2026

God exists

Zava-nisyTamin’ny taona **2013**, nandritra ny hetsika iray nokarakaraina tao **New York**, ilay tompondakan’izao tontol...
16/01/2026

Zava-nisy
Tamin’ny taona **2013**, nandritra ny hetsika iray nokarakaraina tao **New York**, ilay tompondakan’izao tontolo izao amin’ny échecs tamin’izany fotoana izany, **Magnus Carlsen**, izay **22 taona monja**, dia nanaiky fanamby iray izay saika **tsy ho tanteraka** ho an’ny ankamaroan’ny olona.

Nipetraka teo anoloan’ny **échiquier folo** izy ary nilalao **lalao folo indray mandeha** tamin’ireo mpifanandrina samihafa, nahitana mpilalao za-draharaha sy amateurs manana haavo ambony. Saingy nisy fepetra iray nanova tanteraka ny fitsipiky ny lalao: **tsy mijery i Carlsen**.

Voafehy maso (bandé ny masony), tsy maintsy **nitadidy tao an-tsainy** ny toerana marina amin’ny échiquier tsirairay i Magnus ary namaly ny hetsika rehetra . Lalao folo samihafa, paikady folo miaraka mandeha, ary hetsika an-jatony nifandimby tao anatin’ny minitra vitsy. Raha diso toerana **singa iray monja** izy dia mety hirodana tanteraka ilay rafitra ao-tsaina.

Na izany aza, tsy vitan’ny hoe nitazona ny toerana rehetra tao an-tsainy i Carlsen, fa mbola nandinika sy naminavina izay mety hataon’ireo mpifanandrina mialoha.

Naharitra ora maro ilay fanamby. Rehefa nifarana izany dia nandresy ireo mpifanandrina folo taminy i Magnus Carlsen.

Araka ny fanadihadiana navoakan’ny Chess.com, tsy azo hazavaina amin’ny hoe “fitadidiana miavaka” fotsiny izao karazana zava-bita izao. Milaza koa ireo neurologista sy manampahaizana momba ny fahalalana fa mampivelatra fahaizana manokana ny kilalao eseky.
Ho an’i Carlsen, ny échiquier dia tsy fitambaran’ny singa tsirairay ihany, fa rafitra iray manontolo, toy ny fehezanteny ao anatin’ny fiteny iray izay hainy tanteraka.

Aleo tsy manao zavatra hafa intsony fa efa ity aloha no resakaRaha tsy diso izahay afaka tonga daholo ry Ligue Analamang...
12/01/2026

Aleo tsy manao zavatra hafa intsony fa efa ity aloha no resaka
Raha tsy diso izahay afaka tonga daholo ry Ligue Analamanga Des Echecs e?

10/01/2026

💢💥Ny tsiron’ny eseky👈

Misaotra atsika rehetra nandray anjara tamin'ity fifaninanana natao voalohany teto Madagascar 2026 ity    -TSY MANAVAKA ...
04/01/2026

Misaotra atsika rehetra nandray anjara tamin'ity fifaninanana natao voalohany teto Madagascar 2026 ity
-TSY MANAVAKA CHESS 960 2026-
MISAOTRA NY FARITANY 6 NISY MPANDRAY ANJARA AVOKOA
Miarahaba ireo nahazo ny loka ihany koa
Misaotra betsaka ireo rehetra nanampy nahatontosan'ity tournoi en ligne ity koa

Voir plus
— optimiste.

Address

Rue Pavé
Tanjombato
LOTIA108BISTANJOMBATO

Opening Hours

09:00 - 12:00

Telephone

+261341712386

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mahats'Art Chess Club Tanjombato posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Mahats'Art Chess Club Tanjombato:

Share