10/10/2026
🚨🚨 FAMPANDRENESANA MAIKA HO ANTSIKA ATY SAVA! 🚨🚨
❌🐟 MIKATONA ary VOARARA NY FANJONOANA sy FIVAROTANA SY SARDINELLES!
📅 Manomboka ny 08 Oktobra 2026 ka hatramin’ny 30 Aprily 2027.
⚠️ Voarara mandritra io fotoana io koa ny FITATERAGNA, FIVAROTAGNA ary FIVIDIANAGNA ireo hazandrano ireo.
Fa NAGNINO ❓️
Izy koa fa mafana ny andro dia mety hisy lomotra misy poizina ao an-dranomasigny.
Mety hohanin’ny sardines izainy, ka lasa mampidi-doza rehefa hohanin’olo.
☠️ Mety hiteraka fanapoizinagna mafy izy io, ary mety hahafaty mihitsy aza.
🙏 Aleo mitandrigny, satria ny fahasalamagna no voalohan-kariagna!
📢 RY MPANJONO, MPIVAROTRA ARY MPANDRAHARAHAN’NY JONO, MPANJIFA: ANDRAIKITRA ITAMBARAGNA NY FANARAHANA NY LALÀNA!
🤝 Aoka atsika jiaby samy handray andraikitra tandrify azy, hiaro ny harena an-dranomasintsika sy ny fiveloman’ny taranaka ho avy.
✅ Aza manjono, mivarotra na mividy sardines mandritra io fotoana io.
✅ Ampahafantaro ny fianakaviagna sy ny manodidigny.
📲 Anao aza variagna mamaky fo,
Aza ambela mandalo devant-nao i publication ty!
Aza tazonigny ho anao zaraiky ny vaovao!
ZARAO mba ho voaro olo jiaby.
ZARAO amin’ny hafa mba hahazoan’olo jiaby vaovao sy handraisany andraikitry tandrify azy!
🤝 Andraikitsika jiaby ny miaro ny fahasalamantsika!
👉 Aza miambigny ho tratra vao mahazo onindraha!