16/05/2026
Osù, elaela indray izahay tsy nizara sombitsombin'ny kotrana eh? 😊
Ireto no nataonay androany Sabotsy 16 May:
- Échauffement: nihazakazaka sur place + burpees revisité
- Kihon: Tsuki wasa 👊🏽, Uke wasa 💪🏽, sy Keri Wasa 🦵🏽
- Assouplissement et étirements: nanao exercices maha souple kokoa ny fe sy ny tapany ambanin'ny vatana (gedan) mba ahatsara kokoa ny daka (keri na geri ) 🤸🏽♀️
- Kata: Namerimberina ny 5 kata de bases, fa namerina ihany koa ny kata "Teki Shodan" sy "Basai Dai" ✨
Ho anareo izay liana, marihana fa ny entraînement anay dia isaky ny:
• Talata sy Alakamisy hariva: 06 ora ka hatramin'ny 07 ora sy sasany ao amin'ny LP MASCA Sabotsy Namehana 📍
• Sabotsy maraina: amin'ny 07 ora sy sasany ka hatramin'ny 09 ora sy sasany ao amin'ny LP Kiady Sabotsy Namehana 📍