08/08/2026
𝘾𝑯𝘼𝑴𝙋𝑰𝙊𝑵𝙉𝑨𝙏𝑺 𝑵𝘼𝑻𝙄𝑶𝙉𝑨𝙐𝑿 𝑽𝙀𝑻𝙀𝑹𝘼𝙉𝑺 𝙀𝑻 𝑺𝙐𝑷𝙀𝑹 𝑽𝙀𝑻𝙀𝑹𝘼𝙉𝑺
🅗🅞🅜🅜🅔🅢 & 🅓🅐🅜🅔🅢
📅 08 hatramin’ny 16 Aogositra 2026
📍 Morondava – Menabe
🏆 LANONAM-PANOKAFANA OFISIALY
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 08 Aogositra 2026, teto Morondava, renivohitry ny Faritra Menabe, ny Fiadiana ny Tompondaka Nasionaly sokajy Vétérans sy Super Vétérans, lahy sy vavy.
Tanterahina eo ambany fitarihan’Andriamatoa
𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗧𝗦𝗜𝗛𝗔𝗟𝗔 𝗡𝗼𝗹𝗮𝘃𝗲 𝗟𝘂𝗰𝗸 𝗔𝗿𝗶𝘀𝘁𝗶𝗱𝗲, Minisitry ny Tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy , ary eo ambany fiahian’Andriamatoa 𝗔𝗨𝗡𝗘𝗭𝗜𝗙𝗢𝗥𝗧 𝗣𝗵𝗶𝗹𝗶𝗽𝗽𝗲, Lehiben’ny Faritra Menabe , izao fifaninanam-pirenena izao.
🏀 Filaharana nataon’ireo klioba 66 mpandray anjara, avy amin’ny ligy 16 eto Madagasikara, no nanombohana ny lanonana. Nitohy tamin’ny fandraisam-pitenenana nifandimbiasan’ireo tompon’andraikitra izany, ka anisan’izany:
🔹 𝗥𝗔𝗞𝗢𝗧𝗢𝗔𝗥𝗬 𝗠𝗶𝗮𝗹𝘆 𝗛𝗮𝗿𝗶𝗺𝗶𝗻𝗼 𝗟𝗮𝗲𝘁𝗶𝘁𝗶𝗮, Filohan’ny Ligue Régionale de Basket Ball Menabe
🔹 𝗥𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗔𝗜𝗡𝗔 𝗚𝗶𝗹𝗯𝗲𝗿𝘁𝗼, Ben’ny Tanànan’i Morondava
🔹 𝗥𝗔𝗟𝗔𝗟𝗔𝗛𝗔𝗥𝗜𝗦𝗢𝗡 𝗧𝘀𝗶𝗿𝘆 𝗖𝗼𝗹𝗼𝗺𝗯𝗲, Sekretera Jeneralin’ny Fédération Malagasy de Basket Ball
🔹 Lietnà Kôlônely 𝗔𝗨𝗡𝗘𝗭𝗜𝗙𝗢𝗥𝗧 𝗣𝗵𝗶𝗹𝗶𝗽𝗽𝗲, Lehiben’ny Faritra Menabe
🔹 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗧𝗦𝗜𝗛𝗔𝗟𝗔 𝗡𝗼𝗹𝗮𝘃𝗲 𝗟𝘂𝗰𝗸 𝗔𝗿𝗶𝘀𝘁𝗶𝗱𝗲, Minisitry ny Tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy
Tonga nanome voninahitra sy nanotrona ity lanonana ity ihany koa ireo manam-pahefana, tompon’andraikitra sy olo-manan-kaja maro eto amin’ny Faritra Menabe ary ny vahoakan'ny Morondava .
🙏 Ny Ligue Menabe dia maneho ny fisaorana sy fankasitrahana feno ho an’ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fikarakarana sy ny fanatanterahana izao fifaninanam-pirenena izao.
🤝 Isaorana manokana ireo mpiara-miombon’antoka:
🏀IO'Renala (Mpanohana ofisialy)
🏀Assurance ARO
🏀CANAL PLUS MADAGASCAR
🏀STAR Madagascar
🏀Yas Madagascar
🏀After Lounge Bar
🏀COSMOS
🏀Agence immobilière de Menabe
🏀IABY s.a.r.l
🏀Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Menabe
🏀DRJS Menabe