STK Ambohitsiroa Malala

STK Ambohitsiroa Malala SPAA10

🙏❤️

MOFONAINA Alarobia 07 Octobre 2026MIVAVAHA MANDRAKARIVA sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra,...
07/10/2026

MOFONAINA
Alarobia 07 Octobre 2026
MIVAVAHA MANDRAKARIVA
sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra,Koa amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesoa,amin'izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony,dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio; aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana)ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara;aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.

— Hebreo 10 : 21 - 25
STK AMBOHITSIROA MALALA 🙏

MOFONAINA Alatsinainy 05 Octobre 2026 MIVAVAHA MANDRAKARIVA Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsarave...
05/10/2026

MOFONAINA
Alatsinainy 05 Octobre 2026
MIVAVAHA MANDRAKARIVA
Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo anjoron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo.Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.Ary mamelĂ  ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.

— Matio 6 : 5 - 14
STK AMBOHITSIROA MALALA 🙏

MOFONAINA Alahady 4 Octobre 2026MIVAVAHA MANDRAKARIVA Ary Jesoa nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka ...
04/10/2026

MOFONAINA
Alahady 4 Octobre 2026
MIVAVAHA MANDRAKARIVA
Ary Jesoa nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanĂ na anankiray, izay tsy natahotra an'Andriamanitra, na mena-maso olona.Ary nisy mpitondratena tao amin'izany tanĂ na izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin'ilay manana ady amiko.Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy?Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain'ilay mpitsara tsy marina.Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va Izy?

— Lioka 18 : 1 - 8

MOFONAINAAsabotsy 03 Octobre 2026MIVAVAHA MANDRAKARIVAMisy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly v...
03/10/2026

MOFONAINA
Asabotsy 03 Octobre 2026
MIVAVAHA MANDRAKARIVA
Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon'ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiĂ san'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.

— Jakoba 5 : 13 - 18

MIVAVAHA MANDRAKARIVA 🙏
02/10/2026

MIVAVAHA MANDRAKARIVA 🙏

Alakamisy  01 Oktobra 2026MIVAVAHA MANDRAKARIVA Efe 6:10-18FARANY, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherez...
01/10/2026

Alakamisy 01 Oktobra 2026
MIVAVAHA MANDRAKARIVA
Efe 6:10-18
FARANY, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany. 11Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly. 12Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra. 13Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo.
14Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, 15ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo; 16ary ho fanampin’izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy. 17Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; 18ary mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra,

Alarobia 30 Septambra 2026METEZA HIASA AMIN'NY FINOANAHab 3:17-19Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,Ary tsy misy voa...
30/09/2026

Alarobia 30 Septambra 2026
METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA
Hab 3:17-19
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,
Ary tsy misy voany ny voaloboka,
Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ny vala,
Ary tsy misy omby ao am-pahitra,–
18Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany
Sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.
19Jehovah Tompo no tanjako,
Ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy
Ka mampandeha ahy any amin’ny havoanako.
Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha.

Talata 29 Septambra 2026METEZA HIASA AMIN'NY FINOANAJao 14:12-14Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy,...
29/09/2026

Talata 29 Septambra 2026
METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA
Jao 14:12-14
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray. 13Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ny Zanaka. 14Raha mangataka zavatra amiko amin’ny anarako hianareo, dia hataoko izany.

Mirary herinandrom- pitahiana ho antsika rehetra 🙏🙏🥰
28/09/2026

Mirary herinandrom- pitahiana ho antsika rehetra 🙏🙏🥰

26/09/2026

Sabotsy 26 Septambra 2026
METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA
IKor 9:24-27
Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo. 25Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satroboninahitra mety ho lo ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lo. 26Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; 27fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.

Address

Mahitsy

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when STK Ambohitsiroa Malala posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share