15/08/2026
Sabotsy 15 Aogositra 2026
MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO
Fil 2:12-18
Koa amin’izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. 13Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. 14Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, 15mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao, 16mitana ny tenin’ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin’ny andron’i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana. 17Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin’ny fanatitra sy fisoronan’ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra. 18Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.