10/09/2026
❤️🤍 MISAOTRA ANAREO REHETRA ! 🤍❤️
Nifarana teo amin'ny ampahefadalana ny dian’ny AST amin’ity Championnat National ity. 🏐
Na dia tsy nahatratra ny tanjona farany aza izahay, dia zava-dehibe ho anay ny dingana vitanay.
🙏 Mankasitraka sy misaotra indrindra ireo mpanohana rehetra, ireo tonga teny an-kianja, ireo nampahery anay, ireo nanampy anay ary ireo rehetra nino sy nijoro niaraka tamin’ny AST.
Ianareo no nanome hery anay nandritra izao fifaninanana izao. ❤️🤍
Tsy fahombiazana iray no mamaritra ny dianay. Hianatra amin’ity traikefa ity izahay, hanarina ny lesoka ary hiverina matanjaka kokoa.
🏐 Misaotra tamin’ny fitokisana. Misaotra tamin’ny fitiavana. Misaotra tamin’ny fanohanana.
AST – Notre Volley, Notre Famille ❤️🤍
Mbola hitohy ny tantara… 🔥