05/08/2026
🎓 Comprendre la Gouvernance
DÉCENTRALISATION sy ÉTAT FÉDÉRAL : mitovy ve sa samy hafa?
Matetika no re ny hoe décentralisation sy État fédéral, ary indraindray dia heverina ho mitovy ireo teny roa ireo. Raha ny marina anefa dia tsy mitovy izy ireo, na dia samy mikasika ny fitantanana ny firenena aza.
Inona no atao hoe DÉCENTRALISATION ?
Ny décentralisation dia fomba fitantanana izay anomezan'ny Fanjakana Foibe fahefana, andraikitra ary loharanon-karena sasany ho an'ireo Collectivités Territoriales Décentralisées (CTD).
Ny tanjony dia ny:
- hanakaiky kokoa ny fitantanana ny olom-pirenena;
- hamaly haingana kokoa ny filàn'ny mponina;
- hampiroborobo ny fampandrosoana eny ifotony.
Na dia misy aza izany famindrana fahefana izany, dia mijanona ho État unitaire hatrany ny firenena.
Inona kosa no atao hoe ÉTAT FÉDÉRAL?
Ny État fédéral dia endriky ny fanjakana (forme de l'État).
Ao amin'ity rafitra ity, ny fahefana dia zaraina araka ny Lalàmpanorenana eo amin'ny Governemanta Foibe sy ireo fanjakana na faritra mandrafitra ny firenena.
Midika izany fa samy manana andraikitra sy fahefana voafaritra mazava ny Foibe sy ny faritra, ary tsy afaka manova irery izany ny Governemanta Foibe raha tsy manaraka ny fepetra napetraky ny Lalàmpanorenana.
Na izany aza dia firenena iray ihany no misy, manana fiandrianam-pirenena iray sy Lalàmpanorenana iray.
Inona àry no maha samy hafa azy?
DÉCENTRALISATION: Fomba fitantanana, Mamindra fahefana sasany amin'ny CTD, Mbola État unitaire ny firenena, Afaka hatsaraina na ovaina araka ny lalàna
ÉTAT FÉDÉRAL: Endriky ny fanjakana, Mizara fahefana eo amin'ny Foibe sy ny fanjakana na faritra, État fédéral no rafitra ampiharina, Ny fizarana fahefana dia voafaritry ny Lalàmpanorenana
Midika ve izany fa tsy afaka manana décentralisation mahomby ny État unitaire?
👉Tsia.
Afaka manana décentralisation effective ny État unitaire, raha omena fahefana sy loharanon-karena ampy ny CTD, misy fitantanana mangarahara, ary voahaja ny lalàna.
Toy izany koa, ny État fédéral dia tsy antoka ho azy amin'ny fahombiazana. Mila bonne gouvernance, andrim-panjakana matanjaka ary mpitondra tompon'andraikitra ihany koa izy.
FEHINY : Tsy tokony hafangaro ny décentralisation sy ny État fédéral, satria samy manana ny heviny sy ny tanjony izy ireo.
Ny fanontaniana lehibe dia tsy hoe iza amin'ireo rafitra ireo no tsara indrindra, fa hoe:
Ahoana no hampiharana azy am-pahombiazana?
Ahoana no hiantohana ny bonne gouvernance?
Ahoana no hahazoan'ny olom-pirenena rehetra tolotra sy fahafahana tsara kokoa?
Satria amin'ny farany, tsy ny rafitra ihany no mamaritra ny fahombiazan'ny firenena, fa ny kalitaon'ny fitantanana, ny fanajana ny lalàna ary ny fametrahana ny olona mendrika amin'ny toerana mendrika.
« METTRE LA BONNE PERSONNE À LA BONNE PLACE. »