20/08/2026
✝️ MIARAHA ORY AMIN'IZAY ORY MIARAHA FALY AMIN'IZAY FALY✝️
Izahay ato amin'ny CLUB DUOR 312 IFANADIANA dia miara-ory amin'ny fianakavian'i BOB na YANCK izay isan'ny mpilalao mpifanandrina taminay tamin'izany,teny ambony kianja ihany izahay no mpifanandrina fa rehefa nivoaka ny kianja dia mpirahalahy.
Noho izany indrindra no iombonanay amin'alahelo lehibe aminareo FC CADRE RANOMAFANA izay club nilalaovany fahiny sy ny fianakaviany rehetra ary mankahery indrindra tompoko satria tombondalana ihany ny azy fa isika samy mbola ho any daholo💔🙏
Mivavaka hoan'ny fanahiny isika mba ho ankavanan'Ilay Nahary antsika izy✝️🙏