08/06/2026
ποΈποΈ
ποΈ FILAZANA MANJO SY FANKAHEREZANA ποΈ
Amin'ny alahelo lehibe no ampandrenesanay fa nodimandry androany ny renin'i Cantona, kapitenintsika taloha.
Ny fianakaviana manontolo ato amin'ny Tsaraofana Football Club dia maneho fiaraha-miory sy mirary fiononana feno ho an'i Cantona sy ny ankohonany manoloana izao fahoriana izao.
Mirary hery sy faharetana amin'izao fotoan-tsarotra izao izahay, ary mivavaka mba handray ny fanahin'ny maty ao anatin'ny fiadanany mandrakizay Andriamanitra.
"Sambatra ny malahelo, fa izy no hampiononina." (Matio 5:4)
π€ Tsaraofana Football Club π€