03/05/2026
Nijanona teo amin'ny manasa-dalana ny dian'ny ekipatsika. Tsy ampy niakarana tany amin'ny lalao famaranana ny isa 2 izay azo tamin'ny lalao mandroso satria niondrika tamin'ny isa 1-4 ny ekipa tamin'ny lalao miverina.
Dingana ambony indrindra tratra hatramin'ny nahatafiakarana "Première division" ny manasa-dalana tamin'ity taom-pilalaovana 2025-2026 ity.
Maro ny tanjona kenefa izay no tratra. Soa lavo hahay hamindra. Manarina indray amin'ny taom-pilalaovana manaraka.
Hisaorana ny Mpitatantana rehetra eto amin'ny Oniversite amin'ny fanohanana amin'ny lafiny rehetra. Eo koa ny mpanohana maro tsy ankanavaka izay teo foana hatramin'ny nanombohan'ity fifaninanana ity.
Ny fifaninanana no tapitra hatreo fa ny ASUF dia ho eo foana, mijoro hatrany ary hiezaka hanao ny tsara kokoa amin'ny hoavy.