06/04/2024
Resaka perte de poids 🔥
Ny kotrana irery ihany no tena mampihena vatana. Marina sa diso ?
Maro ny olona maniry hanena vatana no mieritreritra fa kotrana(sport)🏋️♂️ irery no tena manan-danja amin’izany. Tsy diso , fa saingy zao ; ny sakafo hoanina ihany koa🥗 dia tena zava-dehibe! satria nahoana ?
Ho an’ny olona manao perte de poids manokana dia ny ho en déficit calorique no tanjona ; izany hoe midépense calorie kokoa nohon’ny azo mandritrin’ny fotoana anaovana izany fanenana vatana izany
Ny tokony hatao ary mba ho en déficit calorique :
Tsara ny manamarika fa ny olona tsirairay dia tokony hahafantatra ny dépense calorique quotidienne‘ny, izany hoe ny fandaniana(calories) ataon’ny vatany isan’andro
Ahoana no fomba ahafantarana ny dépense calorique’ny ?
Zavatra roa no mila fantarina :
1) BMR (Basal Metabolic Rate= Métabolisme de base)
{fandaniana natoraly ataon’ny vatana}
Lahy : 10*lanja(Kg) + 6,25*refy(cm) – 5*taona + 5
Vavy : 10*lanja(Kg) + 6,25*refy(cm) – 5*taona – 161
2) TDEE (Total Daily Energy Expenditure = Dépense énergétique quotidienne)
{fandaniana hery ataontsika andavan’andro}
Ahitana ny atao hoe Facteur d’activité (ny hetsika ataon’olona iray mandritriny tontolo andro) izay manana valeure de 1,2 à 2 ( hohazavaina kokoa ery ambany)
TDEE= BMR*Facteur d’activité
Ohatra : Rabe ( 82kg/ 1m73/ 26 ans) , tsy sportif fa mandeha tongotra matetika(1,5 facteur d’activité { approximation} )
BMR= 10*82 + 6,25*173 – 5*26 + 5 : 1 776,25 Kcal
TDEE= 1 776,25*1,5= 2 664,375 Kcal
Rasoa ( 67kg/ 1m60 / 32 ans) , tsy sportive izy ary mbola mipetraka lava(sédentaire)
(1,2 facteur d’activité)
BMR= 10*67 + 6,25*160 – 5*32 – 161 : 1 349 Kcal
TDEE= 1 349*1,2 = 1 618,8 Kcal
- Ho an’i Rabe zany dia mila 2 664,375Kcal izy raha hitazona io lanjany io(82 kg) .Mitovy amin’izany ihany koa nen’i Rasoa 1 618,8 Kcal raha hitazona an’ilay 67 kg
- Noho izany, raha te hanena vatana i Rabe sy Rasoa dia mila miconsommer calories latsakin’ny TDEE‘ny avy (déficit calorique)
Hanena tena ary izao i Rabe :
Hampanaovina déficit calorique 20% (2 664,375 Kcal*20% = 532,875= 533 Kcal)
2 664,375 Kcal – 533 Kcal = 2 131,375 = 2 131 Kcal (io no calories tokony ho consommeny isan’andro)
‼️ Tsara ho fantatra : 1g de protéine : 4 Kcal
1g de glucide : 4 Kcal
1g de lipide : 9 Kcal
Protéines : {minimum : 1,6 à 1,8g /Kg} = 1,8 *82 kg : 147,6 g (590,4 Kcal)
Lipides : {minimum : 0,6 à 1g/Kg} = 0,7 *82kg : 57,4 g (516,6 Kcal)
Glucides : 2 131 Kcal – (590,4 + 516,6) Kcal = 1 024 Kcal (256 g)
590,4 Kcal+ 516,6 Kcal + 1 024 Kcal = 2 131 Kcal
N.B : - miankina aminy tanjony tsirairay ny déficit calorique tokony hataony ary tokony zarina tsikelikely ny vatana(- 250 Kcal normale)
- Eo aminy quantité’ny protéines/lipides/glucides ihany koa dia miankina aminy objectif an’ilay olona fa saingy manaraka an’ilay condition calorique fotsiny
Mankasitraka anao namaky, PEACE🤍