17/07/2026
Vonjy aina Dia zaraina , tsy antery Tompoko ❤️🙏
🥹ALEXIE Dia tsy maintsy hirosona am greffe amin'izay satria efa 17 taona izy ankehitriny, mba te hiaina toy ny tanora mitovy aminy, mba hanana ho avy tsy hiankina aminay RAR fona, satria ra tsy vita ny greffe dia voatery hanao dialyse à vie izy. Misy cagnotte ito 👇
https://gofund.me/3ba94da8b
Mianadahy izy ireo, ary i Alexie no zokiny.
Nianatra tao amin'ny Collège Providence Amparibe i Alexie hatramin'ny kilasy 5ème, saingy voatery nijanona tsy nianatra tamin'ny taona 2023 noho ny fahasalamany.
Tia mamaky boky, mandihy ary tena tia milalao basket izy. Ny rainy rahateo dia efa mpanazatra ny Ankoay Vehivavy, ka tao anatin'ny tontolon'ny basket no nitomboany.
Nanomboka narary i Alexie tamin'ny taona 2022, ary tamin'ny volana Febroary 2023 no fantatra fa voan'ny aretina Lupus izy. Efa nanomboka nanimba ny voany (reins) io aretina io tamin'izany fotoana izany, ka lasa nifandimby niditra hopitaly isaky ny telo herinandro izy mba hotsaboina.
Nisy fotoana nihatsara ny fahasalamany, saingy tampoka teo dia nihareraka mafy izy ka zara raha nahavita nihetsika. Tamin'ny volana Aogositra 2023, dia nampidirina hopitaly nandritra ny iray volana sy tapany izy. Tsy nihatsara anefa ny toe-pahasalamany, ka tamin'ny fiandohan'ny volana Septambra 2023 dia voatery nanomboka nanao dialyse.
Tamin'ny volana Novambra 2023 dia nentina tany Inde izy hanaovana fitiliana lalina sy biopsie ny voany. Niezaka nitsabo azy ny mpitsabo, saingy efa simba tanteraka ny voany, ary mbola tena mavitrika koa ny aretina Lupus, ka tsy mbola azo natao ny greffe. Noho izany dia voatery niverina teto Madagasikara izy.
Hatramin'izay dia manao dialyse in-telo isan-kerinandro ao amin'ny HJRA Befelatanana i Alexie. Efa ho 3 taona izao no iankinan'ny ainy amin'izany fitsaboana izany.
Ankehitriny dia tsy afaka manao asa na fianarana intsony i Alexie, satria ny fandaharam-pitsaboana amin'ny dialyse no mibaiko ny fiainany. Indraindray izy matanjaka sy falifaly,