16/09/2026
📢 FIANTSOANA – FIVORIANA 🥊
Miarahaba antsika rehetra! 🙏
📣 Antsoina ireo Filohan’ny Seksiona Kick-Boxing rehetra eto Vakinankaratra, miaraka amin’ireo « Maîtres de Salle » rehetra, ho tonga hivory miaraka amin’ny:
🥊 Filohan’ny Ligim-paritry ny Kick-Boxing Vakinankaratra
⚖️ Filohan’ny Mpitsara Nasionaly sy Rezionaly
📅 Alahady 27 Septambra 2026
🕑 Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, tsy diso
📍 DRJS Antsirabe
⚠️ NB : Ireo « Maîtres de Salle » rehetra no tena ilaina ny fahatongavany. 🙏🥊
🤝 Koa manentana antsika rehetra mba samy ho tonga ara-potoana, ho fanamafisana ny firaisankina, fandrindrana ary fampandrosoana ny Kick-Boxing eto Vakinankaratra. 🥊💪
📸 Sary : Fivoahan’ireo 9 mianadahy niofana ho Mpitsara, Andiany « MAHERY », ny Sabotsy 05 Septambra 2026, tao amin’ny ANS Ampefiloha. 🎓⚖️🥊
🙏 Mankasitraka antsika rehetra.
🥊 Discipline – Respect – Intégrité 🥊