15/06/2026
Mankasitraka indrindra anareo rehetra tonga nanohana sy nandrisika an'i Iry Ny Antso nandritra ny fifaninanana Mister Madagascar omaly.
Faly izahay mizara aminareo fa tafiditra tao anatin'ny Top 5 izy, vokatra mendrika izay vokatry ny ezaka, ny faharetana ary ny fanoloran-tena nataony nandritra ny fotoana maro.
Isaorana manokana ireo mpijery sy mpanohana rehetra tonga maro, nanao izay hahafinaritra sy hampafana ny sehatra tamin'ny fanatrehana sy ny fankaherezana tsy tapaka. Tena zava-dehibe taminay ny fanohanana nasehonareo.
Misaotra anareo rehetra ary manantena ny mbola hiara-dalana aminareo hatrany. 💪🔥