18/06/2026
😎 SMK Obus School SHOW ✔
🏦 PALAIS DES SPORTS - MAHAMASINA (15 JUIN 2025)
☝️ Anisan’ireo fotoana tena nanamarika ny SMK OBUS SCHOOL SHOW tao amin’ny Palais des Sports Mahamasina ny fiakaran’i Mandresy Jboys niaraka tamin’ny The Jackson Boys Mada teny an-tsehatra.
🤩 Tsy vitan’izay fa niaraka nandihy tamin’izy ireo ihany koa ny SMK OBUS - NXG, nandritra ireo hira maro naseho tamin’io andro io, anisan’izany ity hira hita amin’ny vidéo ity: “Remember The Time”, izay hira malazan’i Michael Jackson.
😱🎤 Tena nankafizin’ny mpijery ny seho satria nahavariana ny fitovizan’i Mandresy Jackson amin’i Michael Jackson na eo amin’ny endrika, ny fihetsika eny an-tsehatra, ary indrindra ny feony. Ny tena nahasarika ny maro dia satria tsy playback an'i Michael Jackson no nataony, fa tena mihira mivantana eo ambony sehatra izy, ka vao mainka nahavariana ny rehetra tao an-toerana.
🤝 Fiaraha-miasa iray nahafinaritra sy nampiseho fa rehefa mifangaro ny talenta, ny fitiavana ny mozika ary ny fahaiza-manao eny an-tsehatra, dia miteraka seho tsy hay hadinoina. Mankasitraka manokana an’i Mandresy Jackson sy The Jackson Boys Mada izahay tamin’ity fiaraha-miasa nahafinaritra ity.
✨ Ary ianao, raha teo an-toerana, azo antoka fa isan’ireo fotoana tsy ho adinonao tamin’iny seho iny ity seho ity
📝 Misokatra ny fisoratana anarana ho an'ireo izay maniry ny hianatra na hampiditra ny zanany ato aminay.
📲💻 Manasa anao ary ihiditra MP avy hatrany na Whatsapp ao amin'ny 034 05 101 70
© WORK It Company I Manakoako
Lien Youtube : https://youtu.be/yD2wAtjDFz8